Anosibe-Namontana – Lehilahy maty nisy nanindrona antsy
Miha-mahazo vahana hatrany ny tsy fandriam-pahalemana eny amin’ny faritra Anosibe-Namontana. Ankoatra ny sinto-mahery sy vaky trano amin’iny toerana iny dia manjaka ihany koa ny herisetra ataon’ny olon-dratsy eny amin’ny manodidina. Lehilahy iray mananika ny 40 taona any ho any indray no hita faty teny an-toerana, omaly maraina.
Olona nandalo no nahatsikaritra ny razana izay nihoson-dra teny amoron-dalana. Niantso ny tompon’andraikitra avy hatrany izy ary ity farany no nampandre ny polisy. Nidina teny an-toerana, noho izany, ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny mpitsabo hijery ny razana. Tamin’ny fizahana natao dia nahitana dian’antsy be dia be teny amin’ny vatany. Fantatra fa nisy namono ity lehilahy ity ny alin’ny sabotsy hifoha alahady. Tsy nisy nahafantarana azy kosa teny aminy na dia taratasy iray aza. Ahiana ho nisy nandroba io lehilahy io ary notsindromina antsy rehefa nanohitra ireo olon-dratsy. Naterina teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly Hjra ny razana mandra-pahatongan’ny fianakaviana. Misokatra ny fanadihadiana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







