Toe-tsaina lomorina !
Nisy tovolahy roa niady sy nifamono teny Analakely ny tolakandron’ny sabotsy lasa teo. Nifampitolona sy samy niezaka ny hifamono hisy maty mihitsy izy ireo. Nirohotra nijery sy nitangorona ny rehetra ary tsy nisy nihevitra izay hanasaraka akory. Anisan’ny tena nanaitra ny ramatoa lehibe iray niaraka tamin’ny zanany vavikely nihiaka tampoka tao anaty vahoaka hoe “aleo mihitsy ry zareo hiady”. Nisy vehivavy hafa ihany koa nampiaka-peo nilaza hoe “aza sarahina mihitsy”. Izany sisa no toe-tsain’ny vehivavy sy ny renim-pianakaviana sasany eto Madagasikara. Lasa lian-dra sy tia ady, ary mankasitraka ny herisetra sy ny fifamonoana. Raha ny tokony ho izy dia tsy misy renim-pianakaviana manaiky ny hijery tanora miady izany fa tsy maintsy manasaraka na ihany koa manentana ny manodidina mba hanasaraka. Tsy fomban’ny malagasy hatramin’izay ny tia ady fa tsy maintsy miroso amin’ny fandaminana sy ny fanasarahana ary ny fampihavanana hatrany ireo manatri-maso. Nanazava ny mpivarotra iray teo amin’ny manodidina fa saika ho isan’andro dia misy ady foana eny Analakely. Na mifampijery sy mifandona fotsiny aza dia efa mifamono ny mpandalo ety hoy izy. Nohamafisiny fa tsy misy manasaraka raha tsy efa maratra be na torana tsy mahatsiaro tena ny iray amin’izay miady. Efa fialamboly no mahita olona mifampitolona ety hoy izy.
Lasa tia ady ny malagasy ary mafy fo manoloana ny herisetra satria efa lasa fiainana andavan’andro izany. Tsy latsaky ny folo isan’andro ny vaovao mikasika ny herisetra mitranga eto amin’ny firenena. Zava-misy ireny ka tsy maintsy taterin’ny fampahalalam-baovao. Zatra rà latsaka, sy fifamonoana ary herisetra ny vahoaka malagasy ka tsy miraika intsony amin’ny fahitana olona mifamono. Vao tamin’iny herinandro iny ihany koa no nisy lehilahy voatsatok’antsy teny Analakely nefa tsy nisy nanampy akory na dia efa naratra be aza. Simba tanteraka ny toe-tsain’ny ankamaroan’ny malagasy. Tsy tongatonga ho azy amin’izao anefa izany fa misy ny antony: tsy vitan’ny mpitondra Fanjakana intsony ny mametraka ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana eto amintsika. Anisan’ny firenena tokana an-tany misy izany fanafihana mitam-piadiana izany eto Madagasikara. Eto amintsika irery no misy izany andian-jiolahy mitam-piadiana mamaky tranon’olon-tsotra hangalatra entana sy vola ary firavaka no sady mamono mahafaty ny tompon-trano izany. Tsy vitan’ny mpitondra ny fanafoanana ireny herisetra sy tsy fandriam-pahalemana ireny. Mbola eto andrenivohitra ihany koa no anisan’ny tanàna tokana an-tany ahitana mpanendaka amin’ny fokontany sy ny faritra rehetra na andro na alina. Efa zatra herisetra ny vahoaka malagasy ary tsy taitra intsony amin’ny fahitana fifamonoana fa dia efa tafiditra amin’ny andavanadrom-piainana izany.
Simba ny toe-tsaina, ary lasa mifamono ny samy malagasy. Ankoatra ny jiolahy dia matetika ireo olona mifankahalala ihany no mifandatsa-dra sy mifandatsak’aina. Saika mpihavana, mpinamana, mpiara-miasa sy mpiara-monina ihany no ankamaron’ireo hita amin’ny fampahalalam-baovao fa nifamono ho faty sy nifanindrona antsy. Toy ny tany tsy misy Fanjakana intsony eto fa disadisa sy hatezerana kely vitan’ny fifanazavana dia mihafara hatrany amin’ny vono olona. Tsy to teny, sady tsy atokisan’ny olona no tsy atahoran’ny maro intsony ny mpitondra, ny mpitandro filaminana ary ny fitsarana. Lomorina ny toe-tsain’ny malagasy satria tsy misy maodely fakan-tahaka intsony eto. Toa afa-maina sy tsy voasazy mifaraka amin’ny ratsy vitany ny ankamaroan’ireo nahavita heloka bevava. Firifiry ny jiolahy rain-dahiny sy dahalo nahavita heloka tsy roa aman-tany voasambotra nefa miriaria eny anivon’ny fiaraha-monina ary manohy ny asa ratsiny fa tsy mba migadra akory.
Ireo lasibatra sy niharan’ny asa ratsy indray no iharan’ny fandrahonana sy ny valifatin’ireo tsy mataho-tody satria navotsotry ny tompon’andraikitra izy ireo. Very ny malagasy ary tsy ho avotra i Madagasikara raha izao no mitohy. Fanjakan’I Baroa sy didin’ny be sandry ary fahefan’ny manam-bola sisa no misy eto. Izay tsy mahavita miaro ny tenany dia matin’ny sasany eny an-dalana na ao an-trano. Mila vahaolana haingana!
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







