Sprinter latsaka anaty hantsana – Olona roa indray maty
Vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Tsy tonga tany amin’ny toerana alehany ny fiara Sprinter iray mampitohy ny renivohitra sy Mahitsy omaly maraina, tamin’ny 7ora nohon’ny lozam-pifamoivoizana nihatra taminy. Latsaka tany anaty hady mantsy ity farany rehefa tonga tao Soamananety Ambohidratrimo. Tsy nahatana ny familiana ilay nitondra ny fiara rehefa niditra ny fiolahana nohon’izay fandehanana mafy izay. Olona telo ihany izy ireo no tao anatin’io fiara io ary naratra mafy avokoa.
Ireo nahita ny loza no nitondra azy ireo teny amin’ny hopitaly Alakamisy. Namoy ny ainy kosa ny roa rehefa tonga kelileky teny an-toerana. « Saika isam-bolana dia misy latsaka foana ary mahafaty olona io toerana io. Vao namboarina ihany koa ilay lalana ary vita tsara ka dia mitrifatrifana ireo mpamily », hoy ny loharanom-baovao.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







