Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Votsotra ilay mpangala-jaza, tafaverina ireo ankizy

Ankizy mirahavavy miisa roa indray no nisy nangalatra tao amin’ny fokontany Andranomadio, ao Toamasina, omaly maraina. Nilalao teo an-tokontany izy ireo no fantatra fa nantsoin’ny ramatoa iray ka nanaraka ity farany. Tsikaritry ny manodidina teo anefa izany ka nisy nampandre ny ray aman-drenin’ireo zaza ireo. Rehefa nivoaka handeha hijery ny zava-misy anefa ireto farany dia efa lasa lavitra ilay mpangala-jaza niaraka tamin’ireo ankizy.

Nisy kosa ireo nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ary ny sasany nanao fampandrenesana tamin’ny haino aman-jery. Nandeha ny fikarohana azy roa vavy kely sy ilay ramatoa fa niala maina ireo polisim-pirenena sy ny fianakavian’ ireo ankizy. Ny atoandro tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany anefa dia nisy nahatratra teny Ambalamanasy manakaiky ny seranam-piaramanidina izy ireo.

Vaky nandositra ilay vehivavy rehefa nampangan’olona fa mpangala-jaza sy niantsoan’ny olona vonjeo. Ireo zaza kosa navelany teo ary efa tafaverina any an-tokan-tranon’ny ray aman-drenininy. Fantatra fa lasan’io ramatoa io ny kavina volamena teny amin’ny sofin’ireo zaza.  Efa mpanao trafikana zaza mihitsy io ramatoa io, araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao. Efa tratra izy tamin’ny taona 2006 ary araka ny fantatra hatrany dia aondrany any ivelany ireo zaza ireo. Voalaza ihany koa fa efa misy trano fanafenana ireo ankizy ary misy fiara maka ireo zaza avy eo ka mitondra izany any amin’ny tany tsy fantatra.  Mandeha ny fikarohana amin’izao fotoana izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre