Jiolahy nokaikerin’ny alika – Izy indray no nangataka onitra
Hafakely ny zava-niseho tao amin’ny fokontany Antanifotsy ao an-tampon-tanan’i Sambava ny alarobia maraina teo, tamin’ny 3ora. Ilay jiolahy tratra ambodiomby saika hangalatra indray mantsy no nandeha nangataka onitra tamin’ilay saika notafihiny. Roa lahy izy ireo no niditra an-tsokosoko tamin’izany toerana izany.
Rehefa tafiditra teo an-tokontany anefa izy ireo dia nivovo tsy nisy ohatr’izany ny alikan’ny tompon-trano. Tsy vitan’ny nitabataba ity biby ity fa mbola nanaikitra ny iray tamin’izy ireo raha toa ka tafaporitsaka ny jiolahy iray. Tratran’ilay alika tamin’ny ranjony ity mpangalatra ka tsy namelany mihitsy. Nisy kamiao mijanona kosa tao an-tokontany ka iny no nanavotra ity farany mba tsy ho lanin’ny alika.
Niakatra teny ambonin’ilay fiarabe mantsy izy ary tsy nidina intsony. Ilay alika kosa etsy an-kilany tsy niala lavitra teo mihitsy ka tsy tafahetsika ilay lehilahy raha tsy efa nazava ny andro ary ilay tompon-trano ihany no nanala azy teo. Navotsotry ny tompon-trano anefa io olon-dratsy io satria noheveriny fa efa ampy ny kaikitr’alika nahazo azy. Niverina indray ilay jiolahy roa andro taty aoriana nangataka onitra tamin’ilay lasibatra nohon’ny ratra nahazo azy. Rehefa tsy nety nanome na inona na inona azy ny tompon-trano dia nanontany izy alohan’ny hivoaka ny tokontan’ity farany raha vita vaksiny io alika io.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







