Vous êtes ici :

Lundi 22 Décembre 2025

ombre

Iavoloha – Nifaoka zaza ny môtôn’ny filoham-pirenena

Ny sabotsy maraina teo, tamin’ny 10 ora no nisehoan’izany teo ivelan’ny lapan’Iavoloha. Nilalao baolina teo amoron-dalana manakaiky an’iny toerana iny ireo ankizy no nipitika tampoka teny amin’ny arabe ilay kilalaon’izy ireo.  Tamin’ilay nanenjika iny baolina iny indrindra anefa ny ankizilahy kely 12 taona no nivoaka avy tao amin’ny lapa ny bemôtô nitarika ny filoham-pirenena ka nifaoka avy hatrany ilay zaza.

Nohon’ny dona mafy be dia nipitika lavidavitra niala ny toerana nisian’ny lozam-pifamoivoizana ilay ankizy. Ilay nitondra ny kodiaran-droa kosa tsy tafajanona mihitsy raha tsy tany amin’ny dimy metatra tany ho any, vokatry ny fandehanana mafy. Samy naratra, noho izany, izy roa ireo ary nentina teny amin’ny hopitaly mba hahazo fitsaboana. Tsy misy ahiana ny ain’izy roa.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre