Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

67ha – Tovolahy mamo voahitsaky ny taksibe

Tovolahy iray manodidina ny 27 taona nisotro toaka no tra-doza ny alahady tamin’ny 4ora tany ho any teny 67ha. Noho ny hamamoana tafahoatra dia nianjera tampoka teny amin’ny sisin’ny arabe izy kanjo tamin’izay indrindra no nisy taksibe nandalo ka nanitsaka azy. Ilay tanany nivelatra teny amin’ny arabe iny mihitsy no voahitsaky ny kodiarana an-kavanana tamin’ilay fiara. Tapaka kihon’ilay tovolahy nohon’ny dona mafy nahazo azy. Ilay tavoahangy teny aminy kosa nipitika lavitra teo.

Nifamonjen’ny olona nentina teny amin’ny hopitaly ilay  lehilahy voahitsaka ary ilay fiara kosa niandry ny fidinan’ny mpitandro filaminana teny an-toerana mba hanao fizahana ny loza nitranga. Tsy misy ahiana ny ain’ilay tra-doza araka ny filazan’ny mpitsabo.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre