Antalaha – Mpivaro-tena saika hisy naka an-keriny
Tao an-tampon-tananan’i Antalaha no nitrangan’izany ny alahady alina teo. Nanao ny asany toy ny mahazatra ilay mpampanofa vatana no nisy olona nitondra fiara tonga nijanona nanoloana azy, tokony ho tamin’ny 10 ora. Rehefa nifampiresaka izy ireto dia nifanaraka ary niakatra tao anaty fiara ilay tovovavy. Rehefa nandeha ela anefa izy ireo dia tonga saina tampoka ilay vehivavy fa efa hivoaka ny tananan’i Antalaha ne fa tsy mbola nijanonana ihany ny fiara.
Nanontany an’ilay lehilahy amin’izay toerana haleha izy nefa tsy namaly io olona io. Niteny an’ilay lehilahy mba hijanona ilay vehivavy saingy lasa ihany ny fiara ary tafavoaka lavitra ny tananan’i Antalaha izany. Tany amin’ny toerana mangina ilay saofera vao niteny fa mpaka olona an-keriny izy mba hanaovana trafikana taova. Vao naheno an’izany io mpivaro-tena io dia nitsambikana avy teny ambony fiara mandeha avy hatrany. Nohon’ny dona nahazo azy, dia tapaka ny tongony sy ny tanany ary rapa be ny tarehiny, araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao. Efa mandeha ny fanadihadiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







