Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Zato andron’ny rediredy!

Efa lasa vazivazy zary tenan’ny olona eny an-dalana indray tato ho ato ity resaka zato andro ity. Rehefa te hiala andraikitra tsy hialangalana dia mangataka zato andro hanatanterahana ny asa sy hisian’ny fiovana. Omeo zato andro izahay hialanay amin’ny toaka hoy ny vazivazin’ny ireo mamolava amin’ny toeram-pisotroan-toaka iray eto an-drenivohitra. Nony tapitra tokoa ny zato andro dia mbola ireo ihany ry zalahy fa nisotro. Rehefa nanontaniana dia tsotra ny navalin’izy ireo: Tratra hatramin’ny 90 isan-jato ny tanjona fa ny 10 isan-jaton’ny toaka fisotro hatramin’izay sisa no sotroinay.

Tena nalain’ireo tsy mahafehy tena ireo tahaka ara-bakiteny ny fomba fiasan’ny mpitondra Fanjakana ankehitriny izay mangatak’andro lava amin’ny vahoaka mba hanataterahana ny asa fampandrosoana nampanantenainy. Tsy misy anefa ny mangaraharaha satria mila faritana mazava ny tanjona rehetra kasaina ho tanterahina amin’io zato andro io. Fotoana ela ihany mantsy izany satria telo volana mahery. Tsy ampahafantarina ny vahoaka mihitsy izay tena tanjona hotaterahina isaky ny zato andro fa rehefa tapitra ny fe-potoana dia samy milaza ho afa-po sy nahavita be ireo minisitra rehetra. Tsy hilaza velively ny antsipiriany amin’ny tanjona tiany hapetraka izy ireo nohon’ny antony roa. Voalohany dia tsy hahavita hanatanteraka izay hampanantenainy eo. Faharoa kosa indray dia menatra izy ireo ny hampahafantatra izay tetikasa kely tsy hisy fiantraikany akory amin’ny asa fampandrosoana.

Fomba fiasa efa tranainy be ity 100 andro ambetintenin’ny governemanta ity ary any amin’ny firenena efa mandroso no fanatanterahana azy. Izany hoe efa manana ny ampy fa miezaka fotsiny hampisondrotra ny efa misy ireo mpitondra mampiasa ny tetikasa 100 andro. Tsy mety amin’ny firenena latsaka an-katerena toa an’i Madagasikara io satria dingana lehibe ao anatin’ny fotoana fohy no andrasan’ny malagasy. Fiovana maika mitodika any amin’ny asa fampandrosoana no ilaina eto amintsika fa tsy asa kely tatitaterina toy ny ivin-tsaka ka isaky ny 100 andro vao mody manao tatitra amin’ny zava-bita izay tsy misy fiantraikany akory eo amin’ny fiainam-bahoaka. Tsy hisy asa fampandrosoana hisongadina eto raha mbola izao no fomba fiasan’ny fitondram-panjakana. Miadam-piasa sy variana amin’ny fampandriana adrisa fotsiny fa tsy ny tena olana mianjady amin’ny firenena no itadiavana hevitra ny hamahana azy. Ny fisondrotry ny vidim-piainana sy ny tsy fandriam-pahalemana izao no tena mamono ny malagasy. Tsy afaka miandry atrikasa sy fivoriana ihany koa ny sitrapon’ny mpamatsy vola ny fahantrana ary ny herisetra misy eto amintsika fa mila ny fandraisan’andraikitra tsy misy hatak’andro. Mipetraka ihany ny fanontanian’ny maro hoe fa maninona ny Fanjakana no tsy manafatra vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavan’andro dia amidy mora ho an’ny vahoaka mandra-pahitana vahaolana ,aharitra hampihenana ny vidin’entana eny an-tsena. Maninona ihany koa no tsy havoaka hanao haza lambo ireo jiolahy sy olon-dratsy ireo mpitandro filaminana any anaty birao sy mipetra-potsiny any anaty toby rehetra any? Inoana ga manana fanazavana ara-teknika havaly ireo fanontaniana ireo ny tompon’andraikitra nefa tsy fanazavana no takian’ny vahoaka fa fandraisana andraikitra avy hatrany. Tsy afaka ny hiandry 100 andro ny olona iray tafihin’ny jiolahy mitam-piadiana fa eo noho eo no mila ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana. Tsy afaka ny hiandry 100 andro ny ankohonana iray tsy mahatakatra ny vidim-bary eny an-tsena satria ny tsinay tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina.

Rediredy sy resa-be fotsiny izany fomba fiasa ahitam-bokatra haingana ao anatin’ny 100 andro izany ho an’ny vahoaka satria efa tena an-dohalika ny ranom-bary ary ny anio sy rahampitso izao no mahamaika. Mila fandraisan’andraikitra haingana fa efa tena tsy zakan’ny malagasy intsony ny fahantrana goavana mitambesatra amin’izy ireo. Mpitondra haingam-piasa sy vokatra eo noho eo no ilaina fa tsy hiandry 100 andro lava izao.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre