Fiadiana amin’ny aretina lefakozatra – Iray tapitrisa ireo ankizy atao vaksiny eto Analamanga
Raha aty Afrika no asiana teny dia i Madagasikara irery ihany no mbola ahitana ny aretina lefakozatra. Fiarahamonina tsy zarizary no fantatra fa anton’izany ka miparitaka ao ny loto. Betsaka ihany koa ireo zaza tsy vita vaksiny lefakozatra eny amin’ny tobim-pahasalamana ka mora andairan’io aretina io. Ny antony tsy mahatanteraka ny vaksiny matetika dia ny fahalaviran’ny tobim-pahasalamana ary indrindra ihany koa ny fahateren’ny fotoan’ny ray aman-dreny nohon’ny asa aman-draharaha. Nanomboka ny volana oktobra 2014 hatramin’izao fotoana izao, nahitana tranga miisa 11 teto Madagasikara.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly tao amin’ny Cda Andohatapenaka ny hetsika atao mba hiadiana amin’ny aretina lefakozatra eto Analamanga. Haharitra herinandro ny hetsika izay natomboka omaly 14 ka hatramin’ny 19 septambra ho avy izao, hanomezana vaksiny araraka ao am-bava maimaimpoana ho an’ireo ankizy latsaky ny 15 taona ka zaza maherin’ny ny efatra hetsy sy iray tapitrisa no ezahina ho vita vaksiny raha eto Analamanga manokana. Ho an’ireo tsy afaka hanantona ny tobim-pahasalamana dia efa misy ireo olona voatendry hitety isam-baravarana hanantanteraka izany ary tsy ho very anjara ireo ankizy mirenireny tsy manana trano ialofana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







