Jmj andiany fahavalo – Fifamoivoizana ieren-doza
Hanomboka anio 15 septambra ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 20 septambra ho avy izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora na Jmj andiany fahavalo amin’ity taona 2015 ity any Fianarantsoa. Araka ny antontan’isa azo avy amin’ny mpikarakara dia mpizaika manodidina ny 60 000 avy amin’ny faritra 22 manerana ny Nosy eo ho eo no hanatrika io fihaonana io. Fiara fitaterana maherin’ny 3 500 no miantoka ireo olona ireo ka fitateram-bahoaka ny ankamaroany.
Manoloana io fivezivezena mandritra ary aorian’io fihaonana io dia nandray fepetra ny ministeran’ny Fizahan-tany, fitaterana ary famantarana toetr’andro sy ny antokon-draharaha misehana fitaterana an-tanety mba hanamafisana ny fanentanana momba ny aro loza amin’ny fifamoivoizana. Misy noho izany ny hafatra ho an’ireo mpitatitra, ny mpandeha ary ireo mpampiasa lalana rehetra amin’izao Jmj izao.
Ho an’ny mpitatitra manokana, 75 kilometatra isan’ora ihany ny hafainganam-pandeha farany azon’ny fiara handehanana ary mila mpamily miisa roza ny fiara raha mihoatra ny 400 kilometatra ny lalana haleha. Tsy tokony hanao dona miverina ihany koa ny mpamily fa mampidi-doza. Ho an’ireo mpandeha kosa dia entanina mba haka ireo fiara sy mpamily izay efa za-dalana.
Nangonin’i L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







