Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fanelezana trakta – Notorian’ny kandida 6 ilay ben’ny tanàna

Omaly  no saika atao teny amin’ny tribonaly Anosy ny fitsarana ny kandida ben’ny tanana iray. Ity farany izay voafidy teny amin’ny kaominina manodidina ny renivohitra.  Nohon’ny tsy fahatongavany nanatrika ny fitsarana anefa dia nahemotra any amin’ny volana oktobra indray izany. Ity kandida ity dia notorian’ny kandida amin’ny antoko Ati nohon’ny fanalana baraka izay nataony  taorian’ny fifidianana ben’ny tanana teo iny.

Nisy ny fanelezana trakta izay nataon’io ben’ny tanana voafidy io nanao hoe « Manangona olona hanakorontana ny tanana sy ny valim-pifidianana rehetra ary hiezaka hanangadra ireo kandida izay ho lany eo ny iray amin’ireo kandida mpifaninana.» « Efatra andro dia rakotra io trakta io ny tanana ary nisy ny fitomboky ny kaominina izany », hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny kandida mpitory. Tsy fanekena io fampielezana vaovao tsy marina io dia miisa enina ireo kandida nilatsaka teny amin’io tanana io no niara-nivondrona nitory ilay ben’ny tanàna ka ao anatin’izany ny kandida an’i Mapar, Hvm ary ny Tim. «Fitsarana roa no hatao dia ny fitsarana momba io fanalam-baraka io ary ny faharoa dia fitsarana misahana ady amin’ny fanjakana. Ity farany dia mbola miandry ny fivoahan’ny lisitra ofisialy izay lany ben’ny tanana. », hoy ny mpisolovava Sylvestre Razafimahefa, mpisolovavan’ireo nitory.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre