Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

« Trophée de l’entreprenariat 2015 » Telo ireo miatrika famaranana

Sakana tsy ahafan’ny tanora manangana zavatra ny tsy fahampiana ho entina mamorona asa. Sarotra ho azy ireo ny ahazo fepetra andeha hindrana vola izay mavesatra tokoa. Nohon’izay antony izay no nahatonga ny Jci Vohitr’Iarivo namorona ny fifaninana « Trophée de l’entreprenariat » izay natokana ho an’ny tanora. Mirona kokoa amin’ny resaka fampandrosoana sy sosialy ary fanomezana asa ny manodidina ny votoanton’ny fifaninanana.

Araka io lohahevitra io dia ireo tanora manana ny maha izy azy amin’ny sehatra famoronana izay mampiavaka azy amin’ny tontolo iasany, izay no tena tsikera mavesatra amin’ny fifaninanana. Tamin’ity andiany faharoa ity dia miisa folo ireo tanora niatrika ny fifaninanana, izay nisy avy tao Mahajanga, Toamasina ary Antsirabe. Telo mianadahy kosa ireo nananana tetik’asa tsara indrindra nahafeno ireo tsikera notadiavin’ireo mpitsara. Izy telo ireo izay miatrika ny famaranana amin’ny 26 septambra ho avy izao ary naseho ny mpanao gazety omaly teny Antaninandro.

Ny fiverenana mijery ny antontan-taratasin’ireo mpifaninana sy ny manao fitsidihana ny orinasan’izy ireo kosa no hamaritra ny iray hibata ny amboara. Ny loka ho azon’ny mpandresy amin’izany dia ny sidina mandroso miverina mankany Azia, tany mirefy 300 toran-droa eny Imerikasinina, fiofanana omen’ny minisiteran’ny tanora sy ny fanantanjahan-tena sy ny maro hafa.

L.N.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre