Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tany miady !

Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo mpitandro filaminana manao asa fampandrian-tany sy famerenana ny fandriam-pahalemana any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy no mamoy ny ainy nohon’ny afitsoky ny herisetran’ireo dahalo. Manana ny stratejiany izay tsy mbola takatry ny miaramila sy zandary ary polisy vita fiofanana ireo mpangalatr’omby ary efa lasa tafika kely mpiady anaty akata mihitsy amin’izao fotoana izao. Ampy fitaovana ary ampy fanazaran-tena no sady mahafantatra tsara ny kizo rehetra any an-toerana izy ireo ka sarotra ho an’ny mpitandro filaminana no miady aminy.

Tsy resabe intsony anefa fa tena rafitra ny ady any amin’iny faritra atsimon’i Madagasikara iny. Hafakely ny zava-misy satria mifangaro ny asan-jiolahy sy ny adim-poko. Valifaty amin’ny samy tanàna misy mponina hafa fihaviana no tena fototry ny olana amin’izao fotoana izao. Mifanafika ny foko samihafa ka miditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana ary matetika dia voatery miandany amin’izay voatafika satria sokajiana ho jiolahy ireo mpanafika.

Nampiasa angidim-by mihitsy ny tafika nandritra ny fifandonana nefa mbola nisy ihany ny mahery fo lavo teo am-piadiana ary nandatsaka ny ainy ho an’ny tanindrazana. Midika io tranga io fa tena tsy halatr’omby tsotra intsony no mitranga fa tena lonilony eo amin’ny samy malagasy mihitsy. Na dia efa nahafantatra aza mantsy ireo mpanafika fa tsy hisy irika intsony handresen’izy ireo ny mpitandro filaminana dia mbola nisy nanao vy very ny ainy ihany mba hitifitra ahafaty ilay lehiben’ny zandary. Tena efa asa fampihorohoroana toy ny any ivelany no mitranga any Atsimo satria misy mahafoy ny ainy mihitsy ireo vatan-dehilahy hanehoany ny reharehany amin’ny tanàna nihaviany.

Hatreto aloha dia tsy manan-tsafidy ny mpitandro filaminana fa ny valy bontana ihany no vahaolana mahomby hanatsaharana ny herisetra ataon’ireo dahalo mpiady anaty akata amin’izao fotoana izao. Kolontsaina sy kolompiainana nentim-paharazana ny asan-dahalo ary sarotra ny hiadiana aminy satria manao io avokoa ny ankamaroan’ny foko rehetra any atsimon’ny Nosy. Tsy heloka na hetraketraka ny fandraisan’ireo mponina any anaty ala sy lobolobo any ny halatr’omby fa fampisehona ny hery sy ny tanjaka. Taty aoriana anefa lasa niitatra any amin’ny halatra sy vonoan’olona ary valifaty sy fifandrafesana ilay kolontsaina. Nanazava ny mponina maromaro avy any amin’ny faritra tena anjakan’ny asan-dahalo fa ny dian-tongotry ny mpangalatr’omby fotsiny dia hahafantarana ny foko sy ny tanàna nihaviany. Aorian’izay dia manangona vatan-dehilahy isaky ny tanàna manodidina azy ny voatafika ary manomana stratejia hanafihana ireo nangalatra ny ombiny. Mifampivondrona isan-tanàna avy eo ireo mpiray foko ary lasa manafika ireo tanàna sy foko nangalatra omby tao aminy. Izay no mahatonga ny hoe tafakatra an-jatony maro ny dahalo manafika satria ireo lehilahy matanjaka avy amin’ny tanàna maromaro no manao tambabe hanafika tanàna iray na roa izay efa nangalatra omby tany aminy. Dia lasa fifamaliana toy izay hatrany ka tsy mety mitsahatra mihitsy ny fifamonoana sy ny fifanafihana any Atsimo. Tsy mahagaga raha voalaza fa mitifitra sy mamono olona izay lazaina fa tsy dahalo akory ny mpitandro filaminana satria fantatra fa anisan’ny efa nandray anjara tamin’ny fanafihana tanàna hafa ireny na dia tsy dahalo aza no tena asany andavan’andro. Henjana ny tranga any Atsimo any ary ny zatovolahy vao 13 taona monja dia efa hividianana basim-borona hiarovany tena sy handraisany anjara amin’ny hiarovana ny omby sy ny tanànany.

Tsy mba voajery mihitsy nefa anisan’ny mahatonga ny fifankahalana sy ny halatra ary ny adim-poko any amin’ny faritra Atsimo ny resaka fahantrana. Tsy ampy intsony ny zava-misy ahafahana mivelona ka lasa mifaninana mba hifehy ny fiharian-karena misy ny isam-poko sy ny isan-tanàna. Izay hita fa mahomby eo amin’ny fihariana dia hialonan’ny hafa ka tafihin’izy ireo. Dia toy izay hatrany ny zava-misy. Ankoatra ny fanafihana ara-miaramila dia mila mandray andraikitra amin’ny ady amin’ny fahantrana ny Fanjakana satria ny fahasahiranana ara-bola no tena mampirongatra be ny herisetra sy ny tsy fandriam-pahalemana eto amintsika.

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre