Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fianarantsoa – Lehilahy iray hita faty amoron-dàlana

Teny amin’ny fiantsonana taksibe « Bonbon » ao Fianarantsoa no hitan’ny olona vao maraina be ny fatin-dehilahy manodidina ny 45 taona any ho any. Tamin’ny alahady hifoha alatsinainy 14 septambra no nahafaty io rangahy araka ny filazan’ny mpitsabo nijery ny razana. Fantatra ihany koa tamin’ny fanambaran’ny mpitsabo fa fanintona no nahatonga ny loza.

Nanamafy izany ny fianakavian’ity farany raha nidina teny an-toerana raha nilazana ny zava-misy. Nilaza izy ireo fa efa areti-mitaiza io raim-pianakaviana io ny fanintona saingy efa ela izy no tsy tratran’izany intsony. « Efa ny alahady atoandro izy no niala tao an-trano ary tsy niverina intsony izay tsy fanaony mihitsy. Nahagaga anay ihany izany fa tsy nieritreritra ho zava-doza tahaka izao no hiseho », hoy ny fanambaran’ny fianakavian’ny maty. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo, natolotra ny havany ny vatana mangatsiakany.

L.N.

 

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre