Vangaindrano – Zaza roa saika hataon’ny dahalo takalon’aina
Tsy tanteraka ny teti-dratsin’ireo dahalo raha saika haka an-keriny zaza tany Vangaindrano. Ny marain’ny alatsinainy teo no tonga nanafika mpivarotra iray tao an-toerana ny andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika. Nirefodrefotra tsy nisy ohatra izany ny poa-basy mba hampitahorana ny manodidina. Raha vao nigadona teo amin’ireo lasibatra dia nandrahona ireo tompon-trano ireo olon-dratsy mba hanome ny vola saingy vola kely ihany no azon’izy ireo. Tsy afa-po tamin’izany dia nopotehin-dry zalahy avokoa ireo entana izay tsy zakan’izy ireo tao an-tsena. Ary alohan’ny hialany tao dia mbola nalain’izy ireo an-keriny ny zanaky ny lasibatra miisa roa hatao takalon’aina.
Nampandre ny zandarimaria avy hatrany ireo fokonolona raha vao nivoaka ny tanàna ireo dahalo ireo. Tsy niandry ela koa ireo mpitandro filaminana fa nanantanteraka ny fanarahan-dia. Tsy lasa lavitra anefa dia nifanehitra ny roa tonta ary raha nahatsikaritra ireo mpanara-dia ireo malaso dia naleon’izy ireo nandositra namela ireo zaza teo an-toerana. Efa tafaverina soamantsara eny anivon’ny ray aman-dreniny ireo ankizy amin’izao fotoana izao.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







