Morafeno – Nisy namaky ny « La Mozika »
Lasibatry ny andian-jiolahy ny « La Mozika » ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata. La Mozika izay toerana fisakafoanana sy fanaovana lanonana iray ao Morafeno, any Toamasina. Ampanginana tanteraka ireo jiolahy no nanantanteraka ny asa ratsy. Tsy fantatra na tamin’ny firy izy ireo no niditra ny toerana. Tsy mbola hay ihany koa ny isan’izy ireo. Fa ny azo antoka aloha hatreto dia nigalobana tsara izy ireo nandroba io toerana io.
Efa ny maraina ny tompon-trano vao nahatsikaritra ny fahavakisana ary nampandre ny polisim-pirenena avy hatrany. Nidina teny ireto farany nijery ny zava-misy. Nandritra ny fizahana dia fantatra fa nanjavona avokoa ireo fitaovana fanafanana lanonana, toy ny « table mixage » sy ny « ampli ». Nanagalarin’izy ireo koa ny fahatalavitra nivoaka farany ireny sy ny « lecteur Dvd » ary ny « console de jeux ». Mbola nalain’ireo olon-dratsy ihany koa ny toaka rehetra sy ny vola izay tao amin’ny fitoeram-bola.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







