Toamasina – Mirongatra ny fanendahana mpitaingina môtô
Manao ny ezaka isian’ny fandriampahalemana eto an-drenivohitr’i Toamasina hatrany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny polisim-pirenena, kaomisaria afovoany na ny “commissariat central”. Ramatoa iray nitondra môto nendahin’ny jiolahy teny Ambolomadinika ny andron’ny alakamisy 10 septambra 2015 no nitondra fitarainana teny anivon’ity kaomisaria eto Toamasina ity, fa voaroban’ireo jiolahy teny aminy ny finday sy ny poketra nisy ireo antonta-taratasy vitsivitsy. Raikitra avy hatrany ny fikarohana ny olon-dratsy, ka saron’ny polisim-pirenena ireo jiolahy roa nahavita ny asa ratsy tamin’izany fanendahana izany. Mbola tratra teny amin’izy roalahy ireo ihany koa ny zavatra rehetra voarobany tamin’ilay ramatoa. Rehefa nitohy ny fanadihadiana dia fantatra ihany koa ny olona izay nividy ilay finday nendahina tamin-dramatoa niharan’ny fandrobana. Ny alin’ny alahady 13 septambra lasa teo ihany koa dia tratry ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny làlana boulevard Andevoranto, mandalo ny tranoben’ny Crjs ny tovolahy iray nitondra antsibe, avy nanendaka olona. Niaiky avy hatrany moa ity tovolahy ity fa avy nanao asa ratsy tokoa
ZOUZOUH Toamasina
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







