Mpitsabo mpanampy – Mpianatra 22 no halefa atsy Maorisy
Ato ho ato dia mpianatra na mpiasa nivoaka tao amin’io ivon-toeram-pampianarana ambony momba io asan’ny mpitsabo mpanampy io no halefa hianatra sy hiasa atsy amin’ny nosy Maorisy.
An-jatony ireo mpifaninana saingy ny 22 ihany no hangatahan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ity andiany voalohany ity. Ny fikarohana sy fanatsarana ary fampivelarana ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka no anton’izany ka nahatonga ny sekoly ambony iray nikaroka fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
Raha eto Madagasikara dia io ivon-toeram-pampianarana io irery hatreto no Oniversite nomerika misahana ny tontolon’ny fahasalamana voalohany hampiasa ny « vision conférence » ka ahafahan’ny sekoly rehetra manerana ny Nosy mametraka fomba fampianarana sy programa tokana. Tsy vitan’izay ihany fa eo am-panatanterahana ny fandaharan’asa miahy ny fahasalamam-bahoaka eny amin’ny tontolo ambanivohitra ka ahatonga ny tahan’ny tsy fananan’asa hidina hatrany amin’ny aotra. Hisy, noho izany, ny fametrahana « poste d’infirmerie » eny amin’ny toerana tsy ahitana toeram-pitsaboana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







