Vous êtes ici :

Mercredi 01 Mai 2024

ombre

Aretina Alzheimzer – Tsy mifidy sokajin-taona intsony

Mitombo isan’andro ny olona voan’ny aretina Alzheimer eto Madagasikara. Tsy mifidy sokajin-taona intsony io aretina io, fa hatramin’ny zazakely dia tratrany avokoa. Matetika dia ireo zokiolona no tena tratrany ary manomboka amin’ny faha dimam-polo taona eo izany no miseho. Sarotra anefa ny fitaizana ireo olona voan’io aretina io satria mila eo anilany mandrakariva izay olona misahana ny fanaraha-maso azy ireo. Maro amin’ireo fianakaviana no mandositra adidy satria tsy mahazaka ny vesatra miandry azy ireo. « Tsy mahazaka donam-mpiainana no tena antony mahatonga ny aretina Alzheimer. Tsy vitsy ireo olona voatery mivarotra fananana mba hividianana fanafody sy hakana mpanampy hitaiza ny havany », araka ny fanazavan’i Rason-Andriamaro Yollande, filohan’ny fikambanana Madagasikara Alzheimer. Misy azo sorohina ihany ny aretina amin’ny fitadiavana zavatra mamalifaly ireo marary mba tsy hahavery tadidy azy.  Eo anefa ireo tsy manana faharetana intsony mikarakara ny havany ka mandefa azy ireny eny amin’ny tobin’ny zokiolona voan’ny Alzheimer eny Fenomanana-Mahazoarivo nefa voafetra ihany ny fotoana hahafahany mijanona ao.

Ity septambra ity ny volana iraisam-pirenena iadiana amin’ ny aretina Alzheimer, ka  nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny « Institut des metiers de la ville » Tsarafaritra-Tsimbazaza, mitondra ny lohahevitra hoe « Miaraka tsy mifanary mitsabo tsy mifamoy fo ».

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre