Niala adala – Mpanentana fandaharana maty navadiky ny fiara
Fiara fitaterana iray avy aty an-drenivohitra no tra-doza rehefa tafiditra teo antampon-tanan’i Mahajanga, tao amin’ny fokontany Ambalakida, ny alahady hifoha alatsinainy, tokony ho tamin’ny misasak’alina tany ho any. Niala olona adala natory teny ampovoan-dalana no nahatonga ny loza.
Nivadika ambony ambany ilay fiara ka maty tsy tra-drano ny olona 3. Nentina tao amin’ny hopitaly tao an-toerana kosa ireo naratra ka namoy ny ainy ny mpamily ilay fiara rehefa tonga kelikely tao. Iray hafa maty omaly maraina.
Anisan’ireo namoy ny ainy tamin’ity lozam-pifamoivoizana mahatsiravina ity, i Valery Gamal, izay tovolahy mpanentana ao amin’ny fahitalavitra Viva any Mahajanga. Avy nanentana lanonam-panambadiana taty an-drenivohitra io tovolahy io izao tra-doza izao rehefa nitodi-doha tany Mahajanga. Araka ny vaovao voaray ihany koa, atao raharaha amin’ny zoma ho avy izao io lehilahy io izao maty izao.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







