Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Miandry mirakla !

Nivoaka iny ny vokam-pifidianana ary efa fantatra ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao dia Lalao Ravalomanana. Manomboka izao izany dia izy no tompon’andraikitra voalohany amin’ny zava-hitranga rehetra eto an-drenivohitra. Na ny tsara na ny ratsy; na mety na ny tsy mety dia any amin’i Lalao Ravalomanana avokoa no mitodika ny sain’ny vahoaka. Efa tamin’ny taona 2008 no nisy ben’ny tanàna, voafidim-bahoaka ara-dalàna, farany, teto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra dia i Andry Rajoelina. Izany hoe nandritra ny 7 taona teo ho eo dia olom-boatendrin’ny fitondram-panjakana nifandimby no nitantana ny tanàna. Tsy afaka nomen’ny vahoaka tsiny izy ireny satria karazan’ny teknisianina napetraka tsy maintsy nanao izay fampandehanan-draharaha fotsiny ihany. Ankehitriny anefa dia io ny ben’ny tanàna vaovao. Tsy maintsy manao izay hanarenana faran’izay haingana ny tanàna izy ary manatanteraka tsy misy hatak’andro izay praograma nampanantenainy ny vahoaka. Na iza na iza lany teo dia tsy maintsy manao izay hampandroso haingana ny renivohitra fa raha tsy izay no mitranga dia hahita raharaha amin’ny vahoaka. Tsy azo ekena intsony ny fangatahan’andro sy ny fanilihan’andraikitra fa mitaky asa sy vokatra avy hatrany ny mponin’Antananarivo. Azo atao tsara mihitsy ny mitondra fiovana ao anatin’ny herinandro raha olona tena efa niomana ny hitondra ary manana praograma matotra ny ben’ny tanàna vaovao.

Tena mirakla no andrasan’ny vahoaka ary tsy maintsy manatanteraka izany ny mpitantana ao amin’ny kaominina. Tsy mila fanasoketana ny teo aloha sy ny tsy fahombiazana hatramin’izay fa mila manome vokatra mivaingana ho an’ny vahoaka. Maro mantsy ireo kandida te hitondra ny renivohitra, ary samy olona mamiratra amin’ny sehatra misy azy avy izy rehetra saingy tsy lany. Izany hoe izay voafidy dia tsy maintsy manompo ny tanàna sy ny vahoaka ary mampiseho fa tsy diso ny mpifidy nitongilana tany aminy.

Ireo tsy lany ihany koa dia manana adidy goavana amin’ny fanaraha-maso ny fomba fitantanana ny kaominina satria afaka miditra ho mpanolo-tsaina kaominaly avokoa izy rehetra. Izany hoe ireo kandida tsy lany ho ben’ny tanàna dia afaka mandray andraikitra tsara amin’ny fijerena izay tombontsoam-bahoaka ao amin’ity kaominina Antananarivo renivohitra ity. Andrasan’ny maro an’isa ny tena hijoroan’izy ireo hijery sy hitsikera ary hamoaka ny marina rehetra mikasika izay tsy mety ataon’ny fahefana mpanatanteraka ao amin’ny kaominina fa tsy sanatria hiray tsikombakomba toy ny fanaon’ny solombavam-bahoaka.

Manomboka eto dia miandry fiovana ao anatin’ny fotoana fohy ny rehetra. Amin’io herinandro ho avy io dia efa tsy tokony hisy intsony ny loto sy ny fako misavovona, tokony hihena ny fitohanan’ny fiarakodia, ary efa tokony hanomboka sahady ny fanesorana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna rehetra. Tsy ilàna volabe manokana izany ary tsy mila fandrafetana paikady vaovao fa ny efa misy eo am-pelatanan’ny kaominina dia azo ampiasaina avy hatrany. Ny kaominina rahateo manana mpiasa be traikefa afaka hanatontosa ireo noresahina teo ireo. Andraikitry ny ben’ny tanàna vaovao sy ny ekipany no manome baiko mba hanombohan’ny asa sy hahavitan’izany tsy misy tomika. Raha tsy izay no mitranga dia voaporofo avy hatrany fa tsy mahomby ny mpitantana vaovao ao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Eo am-panombohana mantsy dia efa hita taratra ny fomba fiasan’ny mpitantana ara-politika. Manaporofo izany izao fitondrana mijoro izao izay tena miadam-piasa hatrany am-piandohana ary vao maika milalao aretina ara-pitenenana. Roa taona latsaka kely taorian’ny nandraisan’ny filoha Rajaonarimampianina ny fitondrana dia vao maika niha-nahantra ny malagasy ary vao maika niharatsy toerana tamin’ny sehatra rehetra. Nihemotra ny firenena satria votsa fiasa loatra ny mpitondra nefa ny fiainana mihazakazaka. Enga anie tsy ho toy izany ny fomba fiasan’ny ben’ny tanàna vaovao fa dia hifankahita amin’ny vahoaka eto izy. Samy ho tsarain’ny hataony io e.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre