Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Oniversite Barikadimy – Tovovavy maty nisy nanolana

Tsy fantatra ny fotoana nisehoan’ny fanolanana fa tovovavy iray no hita faty niboridana tao amin’ny oniversite Barikadimy, any Toamasina, omaly maraina tamin’ny 10 ora. Ireo mpianatra handeha hianatra no nahatsikaritra izany.

Efa namoaka fofona ny faty sady nitangoronan’ny lalitra ka tsy nisy nahafantarana azy intsony. Tsy nisy lamba ihany koa teny an-kodiny tamin’ny fahitana azy. Vinavinaina ho mpianatra ao amin’io oniversite io ihany ilay tovovavy ary mety nody alina ka nendahan’olona sady novonoina avy eo.

Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, tsy sambany izao no nahitana faty olona tao amin’ny oniversite Barikadimy,  indrindra ny tovovavy. Lasa fanafenan’ireo olon-dratsy ny asa ratsy ataony ao amin’ny tokontanin’ity ivon-toeram-pampianarana ity. Efa maro ihany koa ireo lasibatry ny asa fanendahana tao amin’io toerana io rehefa hariva iny ny andro.

Nampandre ny tompon’andraikitra mahakasika ity raharaha ity ihany ireo nahita ny razana mba hijery sy hanamarina ny nahatonga ny loza fa hatramin’ny nanoratana dia mbola tsy tonga tao an-toerana izy ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre