Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Nandeha nanarato – Lehilahy maty an-drano, iray hafa tsy hita popoka

Ny alahady 20 septambra teo dia lehilahy iray no maty an-drano tany Mananara avaratra, iray hafa kosa mbola karohina,. Rangahy tokony ho 45 taona io namoy ny ainy io rehefa nilentika nandritra ny fotoana naharitra tao amin’ny renirano iray any an-toerana. Tsy nisy nahita izay nirotsahan’izy ireo tao anaty rano fa olona handeha hanasa lamba teny amin’ilay renirano no nahatsikaritra ny fitafiana natsingevan’ny rano.

Nampandre ny iray tanàna avy hatrany io olona io ary nidina teny ny fokonolona nanao fikarohana. Ela vao hita ny vatana mangatsiakan’io lehilahy io izay miankanjo tsara. Natolotra ny havany avy hatrany ny razana ka teo izy ireo no nilaza fa handeha hanarato no nialàny tao an-trano ary miisa roa izy ireo.

Fantatra noho izany fa an’ilay namany io fitafiana natsingavan’ny rano io ary nitohy indray ny fikarohana nataon’ireo mpamonjy voina. Hatramin’izao fotoana nanoratana ity vaovao ity izao dia mbola tsy hita ilay lehilahy iray ary efa very fanantenana tanteraka ireo havany.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre