Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Hetsika fahalemana – Basy miisa dimy indray no sarona

Ankoatry ny famerenana ny omby halatra amin’ny tompony sy ny fanaovana haza lambo ireo dahalo mpampihorohoro ny mponina dia ezahina ihany koa ny hatratrarana ireny fitaovam-piadiana mahery vaika ampiasain’ny dahalo ireny. Ny alahady alina lasa teo dia fantatra fa teo am-panatanterahana ny asany ireo miaramila mpampandry tany no nifanehitra tamina valo lahy nampiahiahy. Tao an-tananan’Andromba, kaominina Amboronanto ao anatin’ny distrika Sakaraha no nitrangan’izany. Nohon’ny fihetsik’izy ireo dia nanao fisavana ny mpitandro filaminana ka tamin’izany no nahatrarana basim-borona efatra ary basy poleta vita gasy iray.

Rehefa nohadihadiana mahakasika ireo fitaovam-piadina ireo ry zalahy ireto dia samy tsy nisy nanana ny taratasy mazava sy fahazoan-dalana ho amin’ny fampiasana azy ireo ihany koa. Natao ny fisamborana ireto voalaza ho olon-dratsy, nogiazana ao amin’ny tobin’ny zandary Sakaraha kosa ireo basy tratra rehetra ireo.

Raha tsiahivina dia basy marobe miisa hatrany amin’ny 29, basy poleta 14 ary basim-borona 15 ihany koa no sarona tany amin’iny distrikan’i Fenoarivobe iny, vokatry ny hetsika fahalemana ihany izay natao nandritran’ny volana septambra ity.

Olona 32 no voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fanaparitahana ireo fitaovam-piadina rehetra ireo ary efa notanana avokoa taorian’ny nahatratrarana ireo basy ireo.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre