Zazalahy 9 taona – Tratra nanendaka dia mody nanao maty
Nandositra avy hatrany ity ankizilahy vao 9 taona monja rehefa avy nanendaka lehilahy iray teo Behoririka, ny alatsinainy atoandro teo. Lasa tamin’izany ny findain’ilay lehilahy ka nanenjika an’io mpanendaka io ity farany fa tsy tratrany mihitsy. Nisy mpitandro filaminana tsy nanao fanamiana anefa manodidina teo ka nanenjika ilay zazalahy ihany koa rehefa nahatsikaratra ny fandehan-javatra. Natontany tamin’ny tany ilay zaza rehefa tratrany ka mody nanao tsy nahatsiaro tena nohon’ny tahotra ny fitsaram-bahoaka sy ny higadra.
Nihevitra azy fa tena voa mafy tokoa ireo nahita azy nidaraboka tamin’ny tany dia nitondra azy tany amin’ny hopitaly Hjra. Ilay finday kosa naverina tamin’ny tompony. Raha nojeren’ny mpitsabo anefa ilay zaza nony tonga tao amin’ny hopitaly dia fantatra fa tsy naninona ary mahatsiaro tena tsara. Raha mbola mody tsy nihetsika ihany ilay mpanendaka dia niantso an’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny tranom-paty ny mpitsabo mba haka io zaza io sady nataony mafy be mihitsy mba ho reny. Vao naheno an’izany ilay zaza dia nihiratra avy hatrany.
« Tsy vao izao no nisy tranga tahaka an’ity no niseho tato fa efa matetika. Matahotra ny iharan’ny fitsaram-bahoaka na entina hatao famotorana izy ireo ka mody manao maty », hoy ny mpitsabo. Efa malaza ratsy eny Behoririka sy ny manodidina an’i Analakely ihany koa io zaza io amin’ny resaka fanendahana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







