Miverina indray ny tantara !
Vantany vao tafaverina an-tanindrazana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana rehefa avy nitety tany maromaro dia nampiaka-peo nanakiana mafy ny fitondram-panjakana mijoro ary tena nampiseho ho mpanohitra mihitsy. Raha nilaza hatrany fa mpanohana ity fitondrana ity izy hatramin’izay dia niova fihetsika sy fiteny ary tsy nihambahamba nanizingizina fa tsy mety ny ataon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Tsy kisendrasendra anefa izany rehetra izany ary tsinjo sahady fa efa nomanina hatry ny ela, saingy niandrasana fotoana fotsiny.
Ny fahalanian’i Lalao Ravalomanana ho ben’ny tanànan’Antananarivo no nandrasan’ny antoko TIM hampisehoany ny tena fomba fijeriny ny raharaham-pirenena. Ny tantara rahateo dia efa nampiseho fa manana ny heriny afaka manozongozona sy mandrodana ny fitondram-panjakana mijoro ny antoko miara-dia amin’ny ben’ny tanàna eto an-drenivohitra. Efa nahavita izany i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ary raha ny zava-misy ankehitriny no dinihina dia mety hisy ny fiverenan’ny tantara indray.
I Marc Ravalomanana rahateo efa hatramin’ny taona 2013 no nanambara fa azony atao tsara ny mamerina ny tranga tamin’ny taona 2002 izay nitarihany ny vahoaka an-dalam-be sy ny ampahany tamin’ny miaramila hanongana ny filoha Ratsiraka. Ny taona 2014 indray izy dia nampatsiahy fa tsy hiandry ny fifidianana amin’ny 2018 dia ho tafaverina eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena. Eo am-pelatanan-dRavalomanana ankehitriny ny fepetra rehetra hahafahany mandona sy manadaboka ny fitondrana Rajaonarimampianina raha toa ka misy ny fifandirana eo amin’izy ireo.
Ireo parlemantera TIM rahateo dia efa tsy nanafina ny fankahalany ny fitondran-dRajaonarimampianina mihitsy hatramin’izay. Loha-laharana hatrany ny depiote TIM tamin’ny hetsika rehetra natao hanozongozonana sy handrodanana ny fitondrana ankehitriny teny amin’ny amin’ny Antenimieram-pirenena. Izany hoe tsy mankasitraka izao fitondrana izao mihitsy ireo olom-boafidy ireo.
Marc Ravalomanana ihany koa dia manao ny fomba rehetra hamerenana indray ny orinasany ka manery ny fitondrana hanonitra ny fahavoazana nohon’ny fandrobana sy fandoroana nitranga ny taona 2009. Marihina anefa fa tsy misy idiran’ny fitondram-panjakana ankehitriny mihitsy ny zava-nisy tamin’ny 2009 satria na izany Hery Rajaonarimampianina izany aza dia tsy nisy nahalala akory nandritra ny savorovoro nitranga teto amin’ny firenena. Mampiaka-peo i Marc Ravalomanana ankehitriny satria fantany tsara fa marefo ny fitondrana ary mora kokoa, ho azy, ny mitarika olona hidina an-dalam-be hitaky ny fialan’ny mpitondra.Ny vahoaka rahateo efa miandry kendry tohana fotsiny satria tena leo tanteraka amin’ny tsy fahombiazan’ny fahefana mpanatanteraka.
Fihemorana no betsaka amin’ny zava-bitan’ny governemanta sy ny fiadidiana ny Repoblika. Miha-mahantra hatrany ny malagasy, tsy azo iainana intsony ny tsy fandriam-pahalemana satria hatramin’ny tafika aza aripaky ny dahalo, manao fanaram-pahefana ny mpitandro filaminana ary mampijaly sy mitifitra vahoaka, tsy mitsaha-mihena ny fari-pahaizan’ny mpianatra ka vitsy no afa-panadinana, tsy misy ny asa ary na ny jiro sy rano ampiasaina andavan’andro aza mampijaly, nidina be ny sandan’ny vola Ariary, hiakatra indray ny vidin-tsolika…, santionany vitsy ireo fa tena efa tsy azo antenaina intsony ny zava-misy iainan’ny malagasy ankehitriny.
Tsy mahagaga raha maro ireo mimenomenona sy tofoka tanteraka amin’ny mpitondra fanjakana. Izany rehetra izany no mahatonga ny fitokonana sy fitakiana tsy an-kijanona etsy sy eroa. Fantatr’i Ravalomanana tsara ny zava-misy sady hananany traikefa satria sady efa teo amin’ny toeran’ny mpanongana izy no efa teo amin’ny sezan’ny naongana. Loza manambana ho an’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny fiverenan-dRavalomanana indray eo amin’ny sehatra politika ary raha tsy mitandrina ny mpitondra dia mety ho sahirana satria tsy hipetra-potsiny ireo rehetra tsy faly amin’izy ireo. Tsy azo adinoina mantsy fa ankoatra ny TIM dia marobe ireo antoko tena matanjaka no miandry pitik’afo kely fotsiny hamelezana ny mpitondra.
Ny fampisehoana amin’ny vahoaka fa mahavita manarina faran’izay haingana ny firenena ihany no vahaolana hahafahana misoroka ny mety hiverenan’ny krizy politika eto amintsika. Tsy adala akory ny vahoaka ka hanaiky ho taritina hikomy raha toa ka mahavita manatsara ny fiainany ny mpitondra.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







