Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Fiofanana ho zandary – Nanantanteraka diabe 140 km ireo mpianatra

Mba hahafeno ny fiofanan’ireo  mpianatra  ho zandary ao amin’ny andiany faha 71 ao amin’ny  sekolin’ny zandarimaria any Ambositra dia  nanantanteraka diabe na « Raid sociologique » izy  ireo, ny Alatsinainy 14 ka hatramin’ny zoma 18 septembre 2015 lasa teo.  Lalana teo amin’ny 140 kilometatra, teo ho eo, no nandehanana an-tongotra tamin’izany izay niala tao Ambositra, nandalo ny Kaominina Ambinanindrano sy Ambohimanga Atsimo  ary Tsaratanana  ka nifarana tany amin’ny renivohitry ny distrikan’Ifanadiana. Nandray azy ireo tany ny solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana sy ny lehiben’ny distrik’Ifanadiana. Matso  lehibe no  namaranana  izany « Raid » izany.

Tsara ho marihina fa tovolahy sy tovovavy miisa 1 200 ireo mpianatra amin’ity andiany ity, izay niditra ny 01 martsa 2015 ary ny 11 desambra ho avy izao no ho vita ny  fiofanana izay arahin’izy ireo.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre