Foto-drafitr’asa – Atomboka eny Anosizato ny fanamboaran-dalana
Hiditra amin’ny fotoam-pahavaratra ny firenena amin’izao fotoana izao. Efa betsaka ny lalana simba sy potika tanteraka raha ny eto an-drenivohitra fotsiny no asiana teny. Mba hialana amin’ny olana niseho toy tamin’ny taon-dasa teny amin’ny toerana rehetra dia atomboka amin’ity faran’ny volana septambra ity ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo. « Hiaraha-mahalala fa andraikitry ny minisiteran’ny Asa vaventy ny manao lalana amin’ny lalam-pirenena fa manoloana ny hetahetan’ny mponina sy ny zava-miseho dia miezaka manampina ny lalana eto Antananarivo izahay. Atomboka eny Anosizato izany alohan’ny faran’ity volana ity ary tsy maintsy atao », hoy i Roland Ratsiraka, minisitry ny asa vaventy.
Nandray fepetra
Na dia amboarina hatrany aza ny lalana isan-taona dia misy fahasimbana foana rehefa tonga ny orana. Ny antony mahatonga izany hoy ny minisitra dia « Efa nilaozan’ny toetr’andro ny lalana eto Madagasikara ka mahatonga azy ho mora ho simba satria valo taona ihany ny faharetany. Be loatra, ihany koa, ny olona monina amin’ny toerana tsy azo hipetrahana ka miteraka olana satria lasa tsentsina ny lalan-drano. »
Alohan’ny hanampenana sy hanamboarana ireo lalana simba ireo dia tsy maintsy mandray fepetra ny minisitera mba tsy ho tahaka ny taloha ny fahavoazana. Efa misy hoy ihany ny minisitra, ny paik’ady atao ka ao anatin’izany ny fifampiresahana amin’ny mponina mba hanazavana amin’izy ireo ny fomba fiasa ho fiarovana ny lalana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







