Analakely – Tovovavy iray naratra tamin’ny fanalana ireo mpivarotra
Raikitra indray ny sakoroka tamin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana, omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 atoandro teny amin’ny manodidina ny lisea JJ Rabearivelo. Tsy nanaiky ny fanesorana azy ireo ny sasany tamin’ireo mpivarotra ka nampiasa hery ireo mpiasan’ny kaominina. Tovovavy 20 taona izay nilaza fa nanampy ny havany nivarotra lamba no nampiharan’ireo vatan-dehilahy matanjaka ny herisetrany. Miisa 4 izy ireo no nibata io tovovavy io ary nanatonta azy tamin’ny tany, araka ny vaovao voaray teny an-toerana. Vokany, naratra mafy teo amin’ny lohany ilay tovovavy ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly Hjra.
Ankoatr’izany dia nalain’ireo mpiasan’ny kaominina an-keriny ihany koa ny lamba iray « balle » an’ireo mpivarotra. Araka ny vaovao voaray hatrany, tsy haverin’ireto mpiasa ireto ny entana raha tsy manome vola ireo mpivarotra. Manoloana ny fikasihan-tanana indray dia nilaza tsy hipetra-potsiny ireo mpivarotra fa tsy ho afa-bela ireo nanao io herisetra io sy ny nampaniraka azy ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







