Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany – Miisa 500 ireo nahazo fahazahoan-dalana
Harena an-kibon’ny tany no anisan’ny mamelona ny harin-karena eo amin’ny firenena iray. Mba hahafahana mampahalala ny tanjak’i Madagasikara amin’izany lafiny izany no antony iray nanaovana ny fampirantiana momba ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika, eny amin’ny Cci Ivato izay haharitra telo andro, nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy rahampitso 25 septambra. Hetsika nokarakarain’ny « agence Coreali » izay nivondronan’ny orinasa miisa 60 izy io. Nandritra izany indrindra no nanambaran’i Lalaharisaina Joéli Valérien, minisitra misahana ny Harena an-kibon’ny tany sy ny solika fa efa maro ny fahazoan-dalana navoaka ka 500 no efa nozaraina mba hahafahan’ny olona iray manana zo mitrandraka an-kalalana. Alefa tsikelikely ihany izany, mba hijerena ireo kaompania mametraka fangatahana sy manavao.
Manaiky ny lesoka
Manaiky ny fisian’ny lesoka ny minisitra ary nilaza fa : « Mbola kely ny fiantraikan’ny fikarohana ny fitrandrahana eto Madagasikara raha eo anivon’ny fiharian-karena sy eo amin’ny fiainan’ny vahoaka.» Mba hanarenana izany dia ezahina apetraka ao amin’ny lalàna mifehy ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany sy ny solika ny tsy maintsy hampiasan’ireo kaompania avy any ivelany tonga eto ireo malagasy ka tafiditra ao anatin’izany ny ara-tsosialy. Atao araka izay azo atao ihany koa ny famadihana ireo harena ireo ho efa voahodina no aondrana any ivelany.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







