Hain-trano teny Antaninandro – Rindrina sisa tavela
Hain-trano mahatsiravina indray no nitranga tao amin’ny fokontany Antaninandro Ste Marie ao amin’ny boriborintany faha-III, ny harivan’ny alarobia 23 septambra, tamin’ny 4 ora latsaka fahaefany tany ho any. Tsy fantatra mazava izay nahatonga ny afo fa ny setroka nivoaka tao amin’ilay trano no nanaitra ny manodidina. Tsy tao an-toerana rahateo ny tompon-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Mpanampy no fantatra fa miandry an’io trano io nefa mandeha mampiaraka rehefa ny alarobia hariva. Ireo mponina teo an-toerana noho izany no nifanome tanana niezaka namono ny afo mandra-pahatongan’ireo mpamonjy voina.
Nijoalajoala ny afo ka efa saika nikasoka ny tari-by mpitondra herinara’aratra an’ny Jirama. « Soa ihany fa voafehy ara-potoana fa raha tsy izany dia zava-doza no niseho », hoy ireo mponina. Tamin’ny 4 ora sy sasany tany ho any, izany hoe efa ho antsak’adiny mahery, vao tonga teny an-toerana ireo mpamono afo namarana ny asan’ireo mponina. Vokany, potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony ireo entana tao an-trano fa may avokoa ka rindrina sisa no tavela tamin’izany. Nihotsaka hatramin’ny tafo sy ny valin-drihana mihitsy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







