Vono olona mahatsiravina 11 namoy ny ainy tao anatin’ny valo volana
Tsy milamina ny tany! Mahazo vahana ny famonoana olona amin’ny fomba feno habibiana. Raha ny an-drenivohitra sy ny manodidina fotsiny no fantatra dia efa mahatratra 11 ireo olona namoy ny ainy tao anatin’ny valo volana monja. Fidorohana zava-mahadomelina, hasarotam-piaro, valifaty,…no fantatra fa mampirongatra azy ireny.
Vono olona iniana atao
Ankoatra ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy izay efa tsy mampandry andro aman’alina dia mirongatra ihany koa ny herisetra ataon’ny olona akaiky amin’izao fotoana izao. Tsy ireo lazaina fa dahalo sy jiolahy ihany mantsy no mahavita mamono fa ireo olona akaiky ihany koa. Tsy misy intsony ny olona azo itokisana noho izany. Ary ny tena loza dia fanahiniana atao mihitsy ireo vono olona ireo ary tena amin’ny fomba feno habibiana tokoa no hanaovana izany. Raha ny atontan’isa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana dia mahatratra 11 ny vono olona voarain’izy ireo tao anatin’ny valo volana, ny janoary hatramin’ity septambra ity. Ao anatin’izany ny famonoana an’i Andry Rakotovao, i Nambinina, i Ketaka Razafimisa sy ny maro hafa.
Olona akaiky ihany ireo mpamono
Maro karazana ireo antony mahatonga ny olona iray hanapitra ny ain’olona. Matetika dia fidorohana zava-mahadomelina sy ny ara-pitiavana no tena mampirongatra izany amin’ny ankapobeny nohon’ny tsy fahafehezana tena ka lasa manao zavatra tsy azo eritreretina. Fa eo ihany koa ny valifaty, ny fialonana ary ny hetraketraka, hoy ny mpitandro filaminana.
Toy ny nahazo an’i Andry Rakotovao, mpandraharaha ara-toekarena filohan’ny «Vovonan’ny vary» ary kandida solombavambahoaka teny Avaradrano tamin’ny taona 2013 nitarika ny lisitra «Andrin’i Madagasikara». Ity farany izay maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, tao amin’ny hotely iray tany Moramanga tamin’ny volana janoary iny ary ny mpamiliny ihany no nahavanon-doza.
Teo ihany koa ilay ramatoa izay hita faty, teny amin’ny fasana Anjanahary roa volana lasa izay ary taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana dia ilay vadiny ihany no nahavita namono nahafaty azy. Tsy azo adinoina ihany koa ny fahafatesana tampoka nahazo an’I Ketaka Razafimisa, izay mpanatontosa horonantsary, ny volana aprily lasa iny. Raha tsiahivina, nolazaina fa nananton-tena ity tovovavy ity ary ny sakaizany no nahita ny razana. Rehefa nandeha anefa ny famotorana, fantatra fa io sakaizan’io ihany no tompon’antoka tamin’ny nahafaty azy, nohon’ny fahasarotam-piaro tafahoatra.
Tsy vitsy ihany koa ireo olona maty nohon’ny hetraketraka ataon’ny hafa. Tahaka ilay tovolahy namoy ny ainy teny Andrefana Ambohijanahary, ny volana jolay teo. Raha tsiahivina dia nanatitra ny sakaizany ity tovolahy ity no nifanehitra tamin’ny mpanendaka. Efa teo am-bavahadin’ny tranon’ilay tovovavy izy ireo no nipoitra tampoka ilay olon-dratsy nandrahona tamin’ny antsy mba hanome azy ny fananana sy ny vola. Tafaporitsaka ilay sakaizany tamin’izany fa izy kosa tavela teo. Ity tovolahy kosa tsy nety nanome na inona na inona an’io mpanendaka io ka notsatohan’ity farany antsy ka naratra mafy. Ilay tovovavy kosa tamin’izay niantso ny tao an-trano ary nitondra ilay lasibatra tao amin’ny hopitaly Hjra nefa tsy tana intsony ny ainy rehefa tonga kelikely tao.
Vono olona efatra ihany no voavaha
Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mahakasika ireo vono olona ireo. Misy amin’ireo no efa voavaha ary efa any am-pigadrana ireo nahavanon-doza. Toy ny famonoana an’I Andry Rakotovao, ny vehivavy hita faty teny amin’ny fasana Anjanahary, ny tovovavy hita faty teny Mausolée ary ilay tovolahy nanatitra ny sakaizany teny Andrefana Ambohijanahary maty voatsatok’antsy.
Mbola manjavozavo kosa ny raharaha nahafaty an’i Ketaka Razafimisa hatreto. Raha nalefa any am-ponja vonjimaika ilay sakaizany voarohirohy tamin’ny nahafaty azy dia fantatra fa efa miriaria any io tovolahy io amin’izao fotoana izao. Zavatra tena nanafin-tohana ny fianakavian’ny maty mihitsy izany. Mbola mampametra-panontaniana azy ireo ihany koa ny nandefasana an’ilay tovolahy eny Antanimora nefa vono olona ny raharaha hiampangana azy. “Tokony eny Tsiafahy no nametrahana azy mandra-piandry ny fitsarana fa tsy tokony Antanimora mihitsy satria voarohirohy namono olona izy”, hoy ny fianakavian’ny maty.
Tsy misy mangirana ny raharaha Nambinina
Mbola mipetraka hatrany ny fanontaniana ny amin’ny antony nahitana ny razana tao amin’ny toerana fandevenana tao Anjanahary. Novonoina ve dia nentina tamin’ny fiarany ihany dia nariana tao ? Sa kosa tao anatiny tao mihitsy no notontosaina ny famonoana azy ? Tamin’ny fomba feno habibiana tokoa mantsy no nanaperana ny ain’i Nambinina ny 5 febroary lasa iny. Tsy fantatra intsony ny tarehiny, satria niongotra tanteraka ny hodi-tavany ary hatramin’ny taolana aza dia voakiky avokoa. Tahaka ireny notondrahana asidra ireny. Goaka ihany koa teo amin’ny tendany ary niongotra hatramin’ny foto-delany, raha tsiahivina ny zava-niseho.
Hatreto anefa mbola tsy fantatra ny nahavanon-doza. “Mbola tsy ahitana mangirana ny raharaha Nambinina. Mbola mandeha ny fanadihadiana amin’ny olona akaiky azy sy ireo mpifanerasera aminy fa indrindra ireo nifandray an-tariby taminy farany”, hoy ny mpitandro filaminana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40








