Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Fanapahan-kevitra peta-toko !

Niteraka resa-be teo anivon’ny fiaraha-monina ny andro tsy fiasana nefa handraisana karama izay nofaritan’ny filan-kevitry ny governemanta tamin’ny 24 martsa 2015. Andro roa izy ireo dia ny 18 jolay sy ny 24 septambra izay fankalazana eo anivon’ny finoana silamo. Teny am-piandohana dia hita fa fanapahan-kevitra maika fotsiny no noraisin’ny mpitondra satria ny 18 jolay dia andro sabotsy, izany hoe efa andro tsy fiasana.Ny 24 septambra indray dia adinon’ny minisiteran’ny Asa tanteraka ny nampatsiahy azy ka nanohy ny asa fanaony andavan’andro ny rehetra. Tsy ny vahoaka rehetra mantsy no mahita ny tatitra avoakan’ny filan-kevitry ny governemanta satria ny haino aman-jerim-panjakana ihany no mamaky izany nefa tsy misy mpihaino akory ny Rnm sy ny Tvm. Efa tamin’ny fotoana farany vao mody nisy fanambarana navoaka fa andro tsy fiasana ho an’ny mpino silamo ihany ny 24 septambra. Io no tena nanaitra ny maro satria midika fanasokajiana ny malagasy eo amin’ny lafiny finoana. Lasa misy izany, ankehitriny, ny fanasokajiana ny silamo, ny kristianina, ny sekta, ny mpanao ody gasy, ny mpanompo sampy…Mifanohitra tanteraka amin’ny Lalàmpanorenana io fanapahan-kevitra io satria i Madagasikara dia firenena laïka, izany hoe tsy miankina amin’ny finoana ary tsy manasokajy ny resaka finoana eo amin’ny fitantanana ny firenena. Rehefa misy ny andro natao tsy hiasana dia ho an’ny malagasy iray manontolo fa tsy hanasokajiana finoana izany. Zava-dehibe anefa ny fifaran’ny fivahinianana masina fanaon’ny mpino silamo ka rehefa natao ho andro tsy fiasana dia tokony samy manaja izany ny rehetra na hafa finoana aza. Toy ny hoe rehefa fety kristianina dia samy tsy miasa avokoa, rehefa andro fankalazana ny fetim-pirenena sy ny fahatsiarovana ireo mahery fo ho an’ny tanindrazana dia samy tsy mahazo miasa na ny vahiny taranaky ny mpanajanan-tany aza. Tsy nasian’ny fitondram-panjakana vidiny ireo rehetra ireo fa dia napetrany ny didy fa ny silamo ihany no tsy miasa.

Miteraka olana goavana, ihany koa, io fanapahan-kevitra io indrindra eny anivon’ny asa aman-draharaha isan-tsokajiny satria mampisy fikorontanana amin’ny fandaminana. Any am-pianarana, izay efa nanomboka hatramin’ny fiandohan’ity volana ity ny fidiran’ny mpianatra, dia nisy ny ankizy tsy nianatra omaly nefa ny sekoly misokatra ihany. Voa mafy ireo zaza silamo satria tsy nanakatona ny toeram-pianarana ny sekoly. Ny fandaharam-pianarana anefa mitohy hatrany. Ny fitondram-panjakana no diso amin’izany satria mamoaka didy manakorontana ny fandrindrana eny anivon’ny fiaraha-monina.

Hita fa tandra-metaka ny fanapahan-kevitra sasany raisina eo anivon’ny filan-kevitry ny governemanta satria toa natao hanatsarana endrika ny mpitondra fotsiny. Nangataka ny hanaovana ny 18 jolay sy ny 24 septambra ho andro tsy fiasana ny silamo dia nekena. Rariny tokoa izany satria andro lehibe eo amin’izy ireo ary zony tanteraka ny tsy hiasa amin’ireo andro ireo. Neken’ny mpitondra Fanjakana ny fangatahana nefa kosa tsy nisy fepetra nanarahina ny fampiharana azy.

Maro, ihany koa, noho izany, ireo mpino silamo voatery niasa satria tsy nanaiky ny mpampiasa. Ireto farany dia nanararaotra ny tsy fahampian’ny fampahafantarana nataon’ny fitondram-panjakana. Raha ny tokony ho izy dia tsy maintsy nanao fampahafantarana be mikasika ireo andro vaovao tsy hiasana ireo ny fitondrana mba hisorohana amin’ny mety tsy hahalalan’ny olona izany.

Porofo iray maneho iny andron’ny 24 septambra iny fa tena tsy maharaka ny zava-misy eto amin’ny firenena ny mpitondra ary ny fanapahan-kevitra noraisiny aza tsy tadidiny no sady tsy vitany ny mampihatra azy. Santionany iny fa maro ny fanapahan-kevitra sy fampanantenana natao saingy tsy misy tohiny ny fampiharana azy. Anisan’izany ny fampihavanam-pirenena izay nodradradradraina sy nandaniana fotoana miampy vola be saingy tsy nasiana resaka intsony rehefa nivoaka ny fehin-kevitra tokony hampiharina. Toa karazan’ny nadaboka ihany koa ilay satan’andraikitra sy fifanarahana hisian’ny fitoniana izay nankalilo sofina iray volana lasa izay. Peta-toko fotsiny ny fanapahan-kevitra raisina eto Madagasikara.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre