Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Ambodiarina Mahanoro – Trano 150 no may kila olona 2 200 tra-boina

Nisehoana hain-trano nahatsiravina indray ny fokontany Ambarimasina, kaominina ambanivohitra Ambodiarina, distrikan’i Mahanoro, ny  alarobia 16 septambra 2015, tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Trano miisa 150 tafo no ravan’ny afo izay tsy hay tohaina nohon’ny fijoalajoalan’ny lelafo izay niparitaka vetivety satria nandrivotra be ny toetr’andro. Mahatratra 2 200 ny isan’ireo tra-boina tsy manan-kialofana; ary tombanana ho 70 tapitrisa Ariary ny  entana potika sy simba, ka vary akotry 15 taonina no lasa lavenona. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy. Araka ny voalaza dia afo niainga tao amin’ny tranon’ny lehilahy iray no nahatonga ity hain-trano nahatsiravina ity, satria tsy tao ny tompon-trano tamin’ny fiandohan’ny afo. Ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena Masomeloka no mandray an-tanana ny fanadihadiana mikasika ity loza ity.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre