Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Tsaralalana – Môtô voadonan’ny fiara saika hahafaty olona

Omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany tao Tsaralalana, manakaiky ny tranombarotra Conforama. Môtô skotera iray no nandeha mafy be ka voadonan’ny fiara mpitatitra rehefa tonga teo amin’ny fihaonan-dalana. Nipitika mihitsy ilay tovolahy nitondra ilay kodiaran-droa, hoy ny fitantaran’ireo nanatri-maso.

Nisosasosa be kosa ilay môtô noentiny ary tsy nety nijanona ka saika nahafaty olona teo amin’ny sisin-dalana. « Vehivavy iray 30 taona io saika tra-doza io. Raha tsy niala haingana angamba asa izay loza nitranga », hoy ny mpivarotra iray nanatri-maso. Tsy naninona kosa ilay tovolahy satria tafatsangana avy hatrany izy ary nifampiresaka tamin’ilay mpamily nitondra ilay fiara. Raha nandeha mafy ihany koa ilay fiara dia mety efa lasan-ko razana ity tovolahy ity.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre