Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Varotra rongony – Voasambotra ny mpamongady eny Androndra kely

Lehilahy iray 62 taona mpamongady amin’ny varotra rongony eny amin’ny faritra Namontana, no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina iray.

Am-pivarotana izany indrindra izy no tra-tehaka. Tamin’ny fanadihadiana azy no nilazany fa mbola misy tranony teo fanafenana ireo rongony amidiny eny Androndra kely ka tamin’izany no nahatratrarana rongony rarany miisa 10 gony izay milanja 8 kg ny iray.

Mitotaly 80 kg izany ireo rongony ireo. Mbola tamin’ny famotorana azi hatrany no nanekeny fa azy ireo entana ireo ary efa-tapa-bolana no nivarotany izany nohon’ny tsy fisian’ny asa. Ar200 000 kosa no hividianany ny iray gony amin’io zava-mahadomelina io ary amidiny Ar 500 000, fa avy any Ambovombe no hangalany izany. Mpamongady mihitsy no asan’ity lehilahy ity eny amin’ny faritra misy azy. Natolotra ny fampanoavana omaly 24 septambra.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre