Namonjy fampisehoana – Zazavavy 12 taona maty naolana faobe
Taitra ny lehilahy lehibe iray raha nahita zazavavy kely maty nitsarara teo ambadiky ny tranony ny marain’ny alarobia 23 septambra teo, tany Ampanefena, distrikan’i Vohemar. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany izy ka nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny mpitsabo. Rehefa nojerena ny razana dia fantatra fa niharan’ny fanolanana faobe io zaza io ary izay ihany koa no nahafaty azy. Nahitana ra teo amin’ny fivaviana nandritra ny fizahana.
Nandeha namonjy fampisehoana ny nialan’io zaza io tao an-tranony ny talata hariva ary tsy nody intsony izy. Efa nanao fikarohana azy ihany ny fianakaviany fa tsy nahitam-bokany izany, raha ny fanambaran’ireo olona akaiky azy. Ilay lehilahy nahita ny razana ihany koa nilaza tsy nahatsikaritra zavatra hafahafa sy tsy naheno na inona na inona nohon’ny tabataba nandritra ny fampisehoana satria eo ambadiky ny trano fonenany ihany no misy io toerana nanaovana izany lanonana izany. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana natao. Efa mandeha ihany koa ny fanadihadiana ireo olona akaiky azy sy ireo nifanerasera taminy farany mba hahalalana ireo nahavanon-doza.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







