Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Fanjakan’ny haizina no misy eto !

Tofoka sy leo tanteraka amin’ny mpitondra Fanjakana ankehitriny ny vahoaka ary marobe ny olona namoaka teny faran’izay henjana manoloana ny tsy fahombiazana rehetra mitranga eto amin’ny firenena. Ny sabotsy lasa teo dia niaina  tao anaty fanjakan’ny haizina Antananarivo. Notapahina ny herinaratra nandritra ny tontolo andro ary efa alim-be tapi-mandry olona vao mody naverina. Tsy nisy fampandrenesana mialoha ary tsy nisy fanazavana ara-tekinika. Toa te hampita hafatra ny mpitondra fa tsy te hahalala ny vahoaka ary tsy rototra amin’izay zava-misy. Raha Fanjakana mahavoa, araka ny hiran’i Samoela, anefa dia manao ny asany ary mitady vahaolana faran’izay haingana. Raha any amin’ny tany mandroso no tapaka ao anatin’ny 5 minitra monja ny herin’aratra dia tsy misy tompon’andraikim-panjakana ambony, na iray aza, tafajanona any amin’ny toerana misy azy fa avy hatrany dia fivoriam-be fitadiavana vahaolana faran’izay haingana no mitranga. Ny eto amintsika, toy ny tsy misy na inona na inona fa samy mitsotsotra any amin’ny toerana misy azy ireo mpitondra Fanjakana mitavana tombon-tsoa tsy hita pesipesenina amin’ny volam-bahoaka sy ny harem-pirenena.Tsy te hahalala izany delestazy izany izy ireo satria sady iantohana gropy no tsy azo tapahina ny jiro any amin’ny fokontany misy azy.

Efa tena tsy rariny ary tsy azo ekena intsony ny zava-mitranga hoy ny vahoakan’Antananarivo. Tonga hatrany amin’ny hoe tokony hiala ny mpitondra ny tenin’ny olona rehetra teny an-dalana sy teny anivon’ny tanàna samihafa. Mihoatra ny fefy ary nandingana lavitra ny fanosihosena ny zo maha-olona ity delestazy lavareny ity. Tamin’ny sabotsy teo dia maro ireo mariazy tany ampiangonana no tsy tomombana an-tsakany sy andavany satria tapaka ny fanamafisam-peo ary tao anaty haizina no natao satria tsy nandeha ny jiro. Tokan-trano maro vao naorina no nosembanin’ity fitondram-panjakana mpanao fampanantenana poak’aty ity satria vao teo am-panaovana mariazy tao am-piangonana dia efa haizina sy fahanginana no nitsena azy ireo.

Tsy tokony hadinoin’ny filoham-pirenena mantsy fa nianiana teo imason’ny vahoaka izy ny 25 janoary 2014 fa volana vitsy ary tsy hahatratra ny faran’ny taona akory dia ho foana tanteraka ny delestazy. Roapolo volana mahery aty aoriana, anefa dia niaina ny delestazy faran’ny mafy indrindra ny vahoakan’Antananarivo. Notsotsorina ny fety aman-danonana rehetra ny sabotsy teo satria tsy afaka nanao izany ny mpanakanto nohon’ny tsy fisian’ny herinaratra. Maro tamin’ireo mpanambady sy ny mpanatrika mariazy no tsy afaka nanao volo akory. Mbola nitarika fatiantoka tanteraka ho an’ireo mpivarotra sakafo, ihany koa, izany satria simba ny entana amidin’izy ireo izay ilàna vata fampangatsiahina. Ankoatra ny hasorenana dia tsy hita pesipeseina ny fatiantoka ara-bola vokatr’iny delestazy mahatsiravina tamin’ny sabotsy teo iny.

Ny filoham-pirenena anefa vao tsy ela akory no nampanantena fa efa hita ny vahaolan’ny delestazy. Ny mpisan’ny JIRAMA, ihany koa, dia efa niverina niasa. Izany hoe samy tsy mahomby ny fitondrana sy ny JIRAMA matoa mbola misy ny delestazy. Ny faktiora tsy mitsaha-miakatra nefa ny jiro tapaka foana. Na inona na inona fanazavana dia tsy avy amin’ny vahoaka no mahatonga  ny delestazy fa avy amin’ny mpitondra sy ny mpiasan’ny JIRAMA. “Rehefa tsy hanao ianao ry akama dia mialà” hoy ny hiran’i Rossy izay. Fijaliana sy fahoriana hatrany no iainana amin’ity resaka jiro ity. Nosolosoloina ihany ireo tompon’andraikitra ambony ao amin’ny JIRAMA ary efa nisy koa ny minisitra nipitika tamin’ny toerana fa toa ny eo ihany no eo.

Kobaka am-bava toy ny mahazatra no betsaka eto amin’ny firenena fa tsy hita izay vahaolana hanatsarana ny fiainan’ny vahoaka. Taona 2015, miverina mampiasa labozia ny malagasy satria tsy vitan’ny Fanjakana intsony ny mamatsy herinaratra ampy sy sahaza ho an’ny rehetra. Miaina tanteraka ao anaty haizina ny firenena satria tsy misy jiro. Dia mbola milaza ho mahavita sy afa-po amin’ny asa nataony ihany ny mpitondra manoloana izany rehetra izany. Ho an’ny mpinomino foana dia izao iainana eto Madagasikara izao no taratry ny fiandohan’ny fara andro. Miseho eto amintsika avokoa mantsy ny karazana loza rehetra nohon’ny fitavozavozan’ny mpitondra.  Manjaka ny haizina, mamely ny loza voa-janahary toy ny tondra-drano, valala, sahona, moka, sy ny aretina maro toy ny pesta, haromontana, tazo, lefakozatra. Tsy ozona na kapoka avy amin’ilay nahary no nahatonga izany rehetra izany fa tsy  fahaiza-mitantana. Azo nosorohina sy nofoanana avokoa ireo loza rehetra ireo raha nahay ny mpitondra. Miaina ao anaty haizina tanteraka ny firenena.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre