Hetsika fahalemana – Tovolahy iray indray maty notifirin’ny miaramila
Anisan’ireo faritra nanana anjara amin’ny hetsika fahalemana ny tany Midongy Atsimo noho izy voasokajy ho faritra mena amin’ny asan-dahalo sy ny halatr’omby matetim-piseho. Izay no antony nandefasana ireo miaramila mpampandry tany mba hamerina amin’ny laoniny ny filaminana sy ny fandriam-pahaleman’ny mponina any an-toerana. Niteraka resa-be anefa ny zava-niseho tao Andranolalina, ao anatin’ny distrikan’i Midongy Atsimo, nandritra ny fanatanterahan’ireo miaramila ny asany. Tovolahy iray sahabo ho 21 taona, izay voalaza ho tsy manan-tsiny, no maty notifirin’izy ireo, ny tapaky ny volana septambra iny.
Araka ny vaovao voaray, rahalahin’ny lehiben’ny fiadidiam-pampianarana ao Midongy Atsimo io tovolahy io ary tsy tao an-toerana iry voalohany tamin’ny fisehoan’ny loza fa nitondra mpianatra nanao lalao ara-panatanjahan-tena tany Antsiranana ka io zandriny io no niandry ny trano fonenany ary nandritra izany no niseho ny fitifirana. Mbola mampametra-panontaniana ireo mponina any an-toerana hatramin’izao ity vono olona ity ary lasa tsy manana fitokisana amin’ireo miaramila natao hiaro ny ainy sy ny fananany intsony ireo vahoaka.
Efa niaiky ny hadisoana nataon’ny miaramila ny talen’ny hetsika sy ny fanangonam-baovao eo anivon’ny etamazaorin’ny tafika malagasy. Nambaran’ity farany fa efa nisy ny delegasiona avy aty an-drenivohitra sy ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana nanao fampihavanana sy nanao fialan-tsiny tamin’ny fianakavian’ny maty.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







