Asa fitadiavana – Mirongatra ny mpivarotra kapila piraty
Tsikaritra fa mameno ny sisin-dalana rehetra sy miha-mahazo vahana hatrany, eto an-drenivohitra, ny fivarotana kapila mangirana hosoka na Cd piraty, izay misy ny sanganasan’ireo mpanakanto malagasy sy vahiny ary ireo horonan-tsary mitohy samihafa. Efa samy mahafantatra, anefa ny rehetra, fa voararan’ny lalàna ny manao izany ary efa misy mihitsy ny hetsika fanenjehana ataon’ny « brigade anti-piratage » sy ireo trano famokarana sarimihetsika eto Madagasikara fa tsy mahasakana ireo mpanao izany. Vao maika aza mirongatra ny fivarotana azy ireny. Efa misimisy ihany koa ireo olona tratra manao piraty fa nohon’ny tsy fisian’ny sazy henjana miandry ireo voasambotra dia toa vitavita ho azy ny raharaha ka mitohy foana ny asa fanamboarana ireny kapila mangirana hosoka ireny.
Raha nanontaniana ireo mpivarotra dia nilaza fa ny tsy fisian’ny asa fivelomana no tena antony mahatonga azy ireny mirona amin’io fivarotana Cd piraty io. Efa tsy miafina intsony ireo mpivarotra fa amin’ny fotoana fivoahan’ny kapila mangiran’ny horonan-tsary tena izy ireny izy ireo no tsy miseho kely aloha.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







