Vous êtes ici :

Vendredi 17 Mai 2024

ombre

Ambohijatovo ambony – Nodoran’ny zaza nilalao briquet ny trano

Nisesisesy indray ny hain-trano tato ho ato. Tao anatin’ny herinandro monja dia trano roa sahady no may kila firehitra teto an-drenivohitra. Ny tsy fitandremana no tena antony mahatonga azy ireny. Omaly, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany maraina, trano iray misy rihana no tra-doza teny ambonin’ny tonelina Ambanidia. Araka ny fanambaran’ny mpamonjy voina dia ankizy kely nilalao « briquet » no nahatonga ny afo.  Nahazo entana mora mirehitra izany ka vetivety dia niitatra eran’ny trano. Nanavotra aina nivoaka teny ivelany avokoa ireo tompon-trano vao nahita ny fijoalajoalan’ny afo ary nampandre ny mpamonjy voina avy eo. Tonga teny an-toerana ireto farany, nefa nanahirana azy ireo ihany ny famonoana ny afo noho ilay trano nisy rihana sy ny fitsokan’ny rivotra mafy be. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa ireo entana tany amin’ny rihana ambony no potika tanteraka tsy nisy noraisina.

Raha tsiahivina dia trano iray misy rihana ihany koa no levon’ny afo ny harivan’ny alarobia, lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany, tao Antaninandro Ste Marie. Tsy fantatra ny nahatonga ny loza tamin’izay fa efa lel’afo nijoalajoala saika hikasoka ny tari-by mitondra herin’aratra no nanaitra ny manodidina. Potika tsy nisy noraisina ny entana rehetra tamin’izany ary rindrina sisa tavela.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre