Vous êtes ici :

Mardi 30 Avril 2024

ombre

Haromontana – Olona 400 isan-taona no voa eto Madagasikara

Aretina tsy dia manaitra ny olona ny haromontana nefa isan’ny mitondra fahafatesana be indrindra maneran-tany. Raha ny statistika voaray, olona iray isaky ny folo minitra no matin’ity aretina ity, izany hoe 7 alina any ho any. Eto Madagasikara dia faritra 10 ao anatin’ny 22 no tena mora handairan’io haromontana io. Hisy ny hetsika haharitra iray volana, izay hiarahan’ny minisiteran’ny Fiompiana sy ny fahasalamam-bahoaka, atao ho fanentanana ny olona, izay miantomboka eny amin’ny kaominina mba hiarovana ny biby sy ny hanaovana vaksiny ary ny fitazomana azy ireny amin’ny toerana iray. Hanomboka rahampitso ny fanentanana, izay haharitra hatramin’ny 28 oktobra ho avy izao, andro iray natao iadiana amin’ny haromontana.

« Ireo alika mirenireny eny ambanivohitra no fototra voalohany mampita ny haromontanaka ho vonoina ireo alika izay tsy azo baikoana mandritra ny fanentanana », hoy i Julien Mandrano, sekretera jeneraly ny minisiteran’ny Fiompiana sy ny fiarovana ny biby, nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy  ny andro iadiana amin’ny haromontana, omaly tao amin’ny lapan’ny tanana Analakely.

Hisy ny fanampiana omena ireo faritra tena handairan’io aretina io satria mahatratra any amin’ny Ar 600 000 ny vidin’ny fanafody. Miisa 6 000 ny kaikitra alika voaray ary 3 000 ireo vita fitaliana ka ny 400  amin’ireo dia haromontana.

L. N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre