Vous êtes ici :

Mardi 30 Avril 2024

ombre

Toliara – Notafihan’ny miaramila ny zandary

Tezitra ny vahoakan’i Toliara nanoloana ny fihoaram-pefy nataon’ireo miaramila mampandry tany any Atsimo amin’ny hetsika fahalemana hiadiana amin’ny asan-dahalo. Ny sabotsy maraim-be, tamin’ny 4 ora, dia nidiran’ireo miaramila mpampandry tany, avy any Sakaraha sy Ankazoabo, miisa 20 mahery nirongo basy, nandeha kamiao, an-keriny ny tranon’ny kolonelin’ny zandary iray monina ao Anketa Toliara.

 

Tondro molotra

Raha ny loharanom-baovaon’ireo miaramila dia voalaza fa manafina lehiben-dahalo iray malaza antsoina hoe Regana ao an-tranony ity manam-boninahitra ambonin’ny zandary ity. Rehefa avy namaky ny varavarana lehibe miisa roa ireo mpampandry tany dia nisava ny efitrano rehetra, nefa tsy nisy afa-tsy ity kolonely ity sy ny zanany no tao an-trano. Rehefa tsy nahita ilay lehiben-dahalo notadiaviny ireto miaramila dia nentin’izy ireo ny zanak’ity kolonely ity, avy eo naverina.

 

Nifona ny  fitondram-panjakana

Nanoloana ity zava-nitranga ity izay nohelohin’ny vahoakan’i Toliara, dia tonga nifona ary nanao fomba ara-drazana tao an-tranon’ity kolonely ity, omaly naraina, ny iraky ny fitondram-panjakana foibe notarihan’ny sekretera jeneraly miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Paza Didier Gérard sy ny CEMGAM ary ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, izay nanolotra omby roa sy vola 5 tapitrisa ariary.

Hosaziana mafy ny miaramila nihoa-pefy. « Mba hisian’ny fitoniana dia nandefitra sy namela heloka izahay, na dia mafy aza ny zava-nihatra taminay », hoy ny Kolonely Rabe Jules nitafa tamin’ny mpanao gazety. « Resy lahatra izahay fa nisy ny fandikan-dalàna ka natao izao fifonana ampahibemaso izao ho famitranam-pihavanana, ary hosaziana mafy ireo miaramila nihoa-pefy fa manaratsy endrika ny fianakaviam-ben’ny mpitandro filaminana », hoy ny CEMGAM, ny Jeneraly Rasolonjatovo Beni Xavier.

Eric Toliara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre