Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Lasa nangataka izy ireo !

Nafonja ny delegasiona malagasy lasa any amin’ny fivoriana an-tampon’ny firenena mikambana any New York. Nirehareha fatratra mihitsy ny minisitry ny Raharaham-bahiny raha nilaza fa tsy misy tombo sy hala ireo firenena rehetra mpandray anjara fa samy afaka miteny avokoa. Maro rahateo ny hetsika hahafahan’ireo minisitra mifampivory sy mifanakalo hevitra amin’ny tompon’andraikim-panjakana avy amin’ny firenen-kafa. Ny tsy azo adinoana anefa dia mbola ao anaty lisitr’ireo firenena tara amin’ny resaka fampandrosoana i Madagasikara. Izany hoe hitaraina sy hitalaho ary hangataka no anton-dian’ny mpitondra malagasy any New York fa tsy hirehareha toy ny hafa fa mahavita azy. “Velon’ataka” hoy ny mpihira Sareraka izay ary tena marina io teniny io satria vola mbola any an-kibon’ny omby no andrasana hamatsiana ny asa fampandrosoana eto Madagasikara. Efa samy nandray anjara tamin’ny fivoriana an-tampon’ny firenena mikambana avokoa ny mpitondra Fanjakana rehetra nifandimby teto amintsika saingy tsy nisy na iray aza nahazo ny famatsiam-bola ilainy. Nofinofin’ny filoha Ratsiraka tamin’izy nitondra ny mba hahazo famatsiam-bola 2 miliara dolara saingy tsy nisy nanome azy. Nilaza ho nahazo ny famatsiam-bola rehetra ilaina ihany koa ny filoha Ravalomanana ary namoaka teny nahatsikaiky mihitsy hoe “Ny vola misy fa ny ampiasana azy no tsy misy” nefa toa resa-be ihany izany satria tsy hita akory izay vola azon’ny firenena teo. Ankehitriny ny fitondram-panjakana dia miketrika mafy ny hahazo famatsiam-bola mitentina 7 miliara dolara izay karazan’ny nofinofy ihany satria tsy hisy hanome azy ireo izany ao anatin’ny 2 taona sisa hitondrany.

Hatramin’ny nandraisany ny fitondrana ka mitohy amin’izao fotoana izao dia tsy mitsahatra ny mangataka etsy sy eroa  ny mpitondra nefa tsy misy manome akory. Ivin-tsaka mitete kely no mba omen’ireo milaza ho mpamatsy vola nefa ny ampahany betsaka amin’izany dia entina hanakaramana ireo teknisianina vazaha tsy nahita asa sy tsy velon-komana tany an-taniny tany. Ny vazaha ihany no mandany ny ampahany betsaka amin’ny vola lazaina fa fanampiana nefa trosa mbola haloan’ny taranaka malagasy any aoriana. Ny ambiny kely tsy lanin’ny vazaha dia mbola voaodikodin’ireo manam-pahefana sy ireo mpanatanteraka tetikasa ka ampahany faran’izay kely sisa no tena ampiasaina amin’ny asa fampandrosoana. Tsy mahagaga raha tsy misy vokatra mivaingana mihitsy fa resa-be sy fihetsiketsehana no betsaka.

Tsy nisy mpangataka tafita sy nanan-karena izany teto an-tany ary tsy mivaona amin’io ny asa fampandrosoana ny firenena. Rehefa tsy mahay mitrandraka ny otrik’arena sy ny fahaizan’ny vahoaka ao aminy ny mpitondra Fanjakana dia hiosona amin’ny tany hatrany ity firenena ary tsy ho tafarina mihitsy. Tsy hisy hanome famatsiam-bola ampy hanataterahana ny drafitra fampandrosoana ny firenena izany eo fa ny malagasy ihany no mila miketrika. Raha hangataka ihany ny mpitondra dia  ny famelan-keloka avy amin’ny vahoaka aloha no tokony hitalahoany. Mila miaiky fa tsy nahavita nandritra ny roa taona latsaka, mangataka fifonana, ary avy eo mamitram-pihavanana amin’ny vahoaka. Raha mahazo ny fanohanan’ny vahoaka mantsy ny fitondram-panjakana dia ho mora ho azy ny hanentana ny malagasy rehetra hamondron-kery sy hiray hina hanarina sy hampandroso ny firenena.

Resa-be fotsiny sy fandaniana andro, ary indrindra fandaniam-bola ny fandraisana anjara amin’izany fivorian’ny firenena mikambana izany. Vola tsy hita pesipesenina no tsy maintsy holanian’ny delegasiona amin’ny saran-dalana sy ny fampiantranoana ary ny sakafo sy ny tambin-karama. Inoana fa hiakatra amina miliara indray ny faktiora amin’ny vola lanian’ny Fanjakana amin’izao fandehanana any New York izao. Mandany volam-bahoaka mba hahafahana mangataka eo anivon’izao tontolo izao. Tongo-bakivaky ka sady maharikoriko no mahamenatra!

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre