Mpiambina niady – Maty voatsatok’antsy ny iray
Tsy nahazaka resy ny iray tamin’izy roa ka naka antsy ary natsatony tamin’ny mpifanandrina taminy avy ao aoriana. Ny sabotsy 26 septambra lasa teo, tokony tamin’ny 6 ora sy sasany, no nisehoan’izany tao an-tampon-tananan’i Antsiranana. Efa nijanona ny ady izy ireo no naka antsy ilay mpiambina iray nahafaty ny mpiara-miasa taminy.
Tsy fantatra izay antony niadin’izy roa lahy ireo fa niafara tamin’ny famoizana ny ain’iray izany. Araka ny vaovao voaray, mpiambina ao amin’ny trano fonenan’ny teratany vahiny any an-toerana ireo nifamono ireo.
Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo nanatri-maso ny ady saingy efa fatin’olona mitsirara amin’ny tany no tratran’izy ireo fa ilay nahavanon-doza kosa nandositra. Taorian’ny fizahana natao dia natolotra ny havany ny razana.
Tsy nijanona teo fa nanao fikarohana ilay mpamono olona ny polisy ka tsy lasa lavitra dia sarona. Nohon’ny ratra mafy nahazo azy dia nentina notsaboana tany amin’ny hopitaly tany an-toerana izy ary notazomina ao amin’ny « Peloton de surveillance » any Antsiranana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







