Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

RN7 – Mpitondra bisikileta maty voadonan’ny kamiao

Fiara vaventy iray no iray lalana tamin’ity rangahy nitondra bisikileta ity tamin’ny alahady hariva teo, tao amin’ny lalam-pirenena Rn7, tany amin’ny distrikan’i Ambatolampy. Tsy nampoizin’ilay nitondra bisikileta ny loza, avy any aoriana rahateo no nifaoka azy ilay fiara vaventy ka maty teo no eo ilay rangahy. Nohon’ny tsy fitandreman’ny mpamily no voalaza fa nahatonga ny loza. Misy kosa anefa ireo milaza fa nanao be marenina ilay mpitaingina bisikileta nefa nandeha teny ampovoan-dalana.

Araka ny loharanom-

baovao, avy niantsena tany Ambohimandroso io lehilahy io izao tra-doza izao. Voalaza fa tapaka ny tanany ary vaky ny lohany, tsy nisy noraisina intsony kosa ilay bisikiletany. Nandositra ilay mpamily ny kamiao.

Nidina nanao fizahana teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny doketera  ary natolotra ny fianakaviana ny razana. Efa mandeha ny fikarohana ilay mpamily sy ny fiarany amin’izao fotoana izao.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre