Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Toliara – Basikety no hiadiana amin’ny rongony

Tsy mijanona amin’ny fanaovana asa soa ara-tsosialy ihany ny fikambanana Tanora Mian-tsehatra tarihin’ny filoha nasionaliny, Benjamina Randriamahefa, fa manome lanja, ihany koa, ny fanabeazana ny tanora mba hialana amin’ny fidonadonam-poana sy hiadiana amin’ny fidorohana zava-mahadomelina mahazo laka amin’izao ao Toliara.

Nisy ny « tournoi de vacance » taranja basikety lahy sy vavy nokarakarain’ny fikambanana TAMIA nanomboka ny 5 septambra lasa teo, nandraisan’ny ekipa 16 ao Toliara anjara izay notolorana baiboly avokoa.

 

Lalao famaranana niavaka

Ny asabotsy teo ny lalao famaranana notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena Ankilifaly notronon’ny SG-ny TAMIA. Tompon-daka teo amin’ny sokajy zazavavy ny ekipan’ny « Scorpion rouge » izay nandresy ny « Sky’s » tamin’ny isa 29 no 16. Nitondra ny loka nody tamin’ny isa hety dia hety 56 no 55 kosa ny ekipan’ny Tandem nandavo ny  Sans fil Miray.

 

Sady fialamboly no fitaizana

« Fialamboly sady fitaizana ny tanjon’ny hetsika, ka tsy tokony ho olana intsony manomboka izao eo anivon’ny fiaraha-monina ny tanora raha beazina hanana toe-tsaina matahotra an’ Andriamanitra tsy hiantehitra foana amin’ny takalo sy fitiavan-tena rehefa misy zavatra atao, fa tokony hibanjina ny tombotsoa iraisana hiadiana amin’ny firongatry ny asa ratsy mahazo laka amin’izao », hoy Randrianantenaina Jean Felix, mpandrindram-paritry ny TAMIA faritra Atsimo Andrefana.

Eric Toliara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre