Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Fampidirana mpianatra an-tsekoly – Mandany 500.000 ariary ny zaza iray

Mikaikaika amin’ny vola lany amin’ny fampidirana mpianatra ireo ray aman-dreny ankehitriny. Diso be loatra sady mihoa-pampana raha oharina tamin’ny taon-dasa ny fandaniana. Ankoatra ny fandoavana saram-pisoratana anarana sy ny saram-pianarana ary ireo fitaovana dia mbola eo ihany koa ny fividianana aron’akanjo sy ny fanamiana.

« Mahatratra Ar 500 000 ny vola lany amin’ny zaza iray. Amin’ny ankapobeny dia ny fanararaotan’ny mpivarotra amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao no antony tena mampidangana io fandaniana io » hoy ny renim-pianakaviana iray tafaresaka taminay.  Isan’ny voakasik’izany ireo mpivarotra fitaovam-pianarana, ireo mpivarotra ravin-damba fanao aron’akanjo na fanamiana any an-tsekoly, ireo mpanjaitra ary ireo sekoly tsy miankina. Raha ny tazana teny an-tsena mantsy dia nahitana fiakarany avokoa na ny fitaovam-piaranarana na ny ravin-damba.

 

Tsy misy ny ho enti-manana

Miferin’aina manoloana io fampidirana mpianatra io ihany koa ny ray aman-dreny manana zanaka mianatra eny amin’ny sekolim-panjakana. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana dia tsy maintsy misy ny latsakemboka aloan’ ireo ray aman-dreny ka vola eo amin’ny Ar 15 000 isaky ny mpianatra no haloa eny amin’ny Epp.  Izany dia hanampiana ny tambim-karama ho an’ireo mpampianatra Fram. Manano sarotra ho an’ireo manana zaza eny amin’ny Epp anefa ny fandoavana io vola io ary misy ny milaza tsy handoa izany na dia efa nifanarahana nandritra ny fivoriana aza. Ny olana anefa dia ireo fianakaviana tena sahirana matetika no tonga mampiditra ny zanany eny amin’ny sekolim-panjakana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre