Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Bekopaka – Matin’ny fokonolona ny dahalo nitondra basy

Dahalo iray no matin’ny fokonolona tany amin’ny kaominina Bekopaka, faritra Boeny ny faran’ny herinandro lasa teo. Dahalo miisa 12, nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa, no nanafika tao an-tanàna tamin’io andro io ka lasan’izy ireo ny omby marobe. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona, nampian’ny zandary miisa 4, ka raikitra ny fifandonana. Nahery setra ireo dahalo saingy kizitina ihany koa ireo vahoaka ka taorian’ny ady nahery vaika dia lehilahy miisa roa avy amin’ny fokonolona no naratra mafy ary maty tsy tra-drano kosa ny dahalo iray ka tafaverina avokoa ny omby rehetra.

Tena efa manao vy very ny ainy tanteraka ny vahoaka eny ifotony amin’izao fotoana izao ho fiarovana ny ainy sy ny fananany. Manao izay ho afany, ihany koa, ny zandary saingy tsy afa-manoatra firy satria vitsy an’isa hatrany izy ireny no mamita asa any amin’ny faritra lavitra hanjakan’ny tsy fandriam-pahalemana.

Ny fitondram-panjakana foibe anefa tsy mandefa tafika mpampandry tany manokana raha tsy efa misy mpitandro filaminana maro matin’ny dahalo. Mila mandray fanapahan-kevitra hentitra ary ho an’ny faritra rehetra ny Fanjakana satria efa tena samy manao sorona ny ainy mihitsy ny fokonolona sy ny zandary vitsy an’isa any ambany ravinahitra rehetra any amin’ny fiadiana amin’ny asan-dahalo.

Dom

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre